Teraka anaty tranon'omby

Teraka anaty tranon'omby
'Lay Zazakely nirintsika.
Ny hatsaran'ny lanitra aza
Ihoaran'ity Zaza ity.

 
1 Virjiny faran'izay madio
 No Reny masina nofidiny;
 Reny Virjiny hany mendrika
 An'ilay Zaza Zanahary.
 
2 'Lay Zazakely no Mesia
 Nandrasana izay ela izay,
 Efa voalazan'ny Anjely
 Ny soa entiny amintsika.
 
3 Ny fiadanana sy ny laza
 Amin'ity fiainana ity
 No dia zavatra norafesiny
 Ny fahantrana nofidiny.

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 723
Fihirana Vaovao p. 387
Vavaka sy Hira p. 670
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0638