Ry Notre-Dame de la Salette

Ry Notre-Dame de la Salette, mifalia,
Tsy very foana ny ranomaso narotsakao.

1 Tany Seltte, Reny malala, tanianao
 Ny fahotana mahatsiravin'ny olonao.

2 Faly izahay e, hanaiky tsara ny anatrao;
 Ka isan'andro harahinay e ny teninao.

3 Ny hadiovana ankasitrahin'i Jesoanao
 No irinay hampanjakaina ao am-ponay.

4 Toky omenay: ho tianay tsara i Jesoanao;
 Onony àry ny alahelo, ry Reninay.

5 Ry ota ratsy tsy tianay intsony, veloma re.
 I Jesoa irery sy ianao Reny, no ho maminay.

6 Rahefa hariva, ka tapitra andro ny zanakao,
 Mba ento kely an-danitra any, anilanao.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 702
Vavaka sy Hira p. 615
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0666