Nihorohoro sy nangina ny tany

Nihorohoro sy nangina ny tany, aleloia,
Nony nitsangana hitsara Andriamanitra, aleloia.

(Sal. 74)
 
1 Namirapiratra Ianao re, ry Tompo,
 Ka raiki-tahotra ireo fahavalo:
 Lasan-ko babo daholo ireo mpanjaka tety an-tany.
 
2 Raha vao nanambana ianao, Andriamanitra,
 Dia nitsatoka tsy nahahetsika
 Ny soavaly ary koa ny kalesy nentina niady.
 
3 Ao Salema ny trano fonenany,
 Ary ny lainy dia ao Siôna:
 Nalaza tamin'ny foko rehetra ny Tompontsika.
 
4 Aoka ianareo, ry vahoaka rehetra,
 Samy hitondra fanatitra mendrika,
 Toy ny voady tsy maintsy efaina ho an'Andriamanitra.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Paka
Fihirana Dera p. 117
Fihirana Hasina p. 635
Fihirana Vaovao p. 243
Vavaka sy Hira p. 303
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089