Mpamonjinay 'zay tonga Zazakely

1 Mpamonjinay 'zay tonga Zazakely
 Nidina atý honina akaikinay:
 Lavitra anao, tebiteby hatrany,
 Fa anilanao no matoky izahay? (indroa)
 
2 Mpamonjinay anaty tranon'omby,
 Izany ve, Tompo, no lapanao?
 Hotsaroanay raha sendra mijaly
 Fa tenanao no nahantra ho anay. (indroa)

3 Mpamonjinay, ny alina mangina,
 Vitsy ireo mihevitra anao.
 'Ndreto 'zahay te hamaly fitia
 Ny hiranay, raiso hidera anao. (indroa)
 
4 Mpamonjinay, Zôzefa sy Maria,
 Faly tokoa sady mitsaoka anao.
 Toa azy ireo no irinay, ry Tompo,
 Akaikinao, ny fonay mba hadio. (indroa)

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 613
Vavaka sy Hira p. 670
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2202