Mino aho, Tompo, mino tokoa

Mino aho, Tompo, mino tokoa,
Kanefa ampitomboy ny finoako.
 
1 'Zaho mino ny Ray Zanahary nanao ny lanitra soa,
 Nampisy an'ity tany ity sy ireo zava-tsy hita isa,
 Ary miaiky aho fa tokana Andriamanitra. Mino aho.
 
2 'Zaho mino an'i Jesoa Kristy,
 Izay Zanaka lahitokan'ny Ray,
 Nateraka fa tsy natao, iray fomba amin'ny Ray,
 Nidina avy any an-danitra hamonjy ny olony...
 
3 'Zaho mino fa i Jesoa Kristy naterak'i Maria virjiny,
 Nijaly sy maty ho anay, nitsangan-ko velona indray
 Dia niakatra any an-danitra, manjaka mandrakizay...
 
4 'Zaho mino ny Fanahy Masina, ny Eglizy naorin'i Jesoa,
 'Zaho mino ny batemy tokana manala ny fahotana,
 Izaho mino koa ny fiainana mandrakizay...
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 600
Fihirana Vaovao p. 357
Vavaka sy Hira p. 717
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0448