Mifalia isika, ry kristianina

Mifalia isika, ry kristianina, mihobia tokoa;
Asandrato ny hira fiderana.
Koa tongava hitsaoka an'ilay Zanak'Andriamanitra
'Zay vao teraka mitondra fiadanana.
 
1 (besony) Tonga i Jesoa       (vahoaka)  Noely!
                 'Lay Mpamonjy                     Noely!
 (miaraka) Mpanavotra antsika e
 (besony)   Mietry tena          (vahoaka)  Noely!
                 Ho zazakely                          Noely!
 (miaraka)  Eo ambony vilona e.
 
2 Tonga i Jesoa
 'Lay Mahery
 Mpanjakantsika e
 Mietry tena
 Be fahantrana
 Ao an-tranon'omby e.
 
3 Tonga i Jesoa
 Hazavana
 'Lay be voninahitra e
 Mietry tena
 Tonga olombelona
 Mitondra hasambarana e!
 
 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Ankalazao ny Tompo p. 335
Fihirana Hasina p. 594
Vavaka sy Hira p. 678
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009