Midìna atý, Fanahy Zanahary

1 Midìna atý, Fanahy Zanahary 'zay nanao ny fiainanay,
 Ny afonao velomy ao am-ponay hanova ny fanahinay.
 
Avia atý, fanilonay       )
Sy tokinay sy zaranay,) (indroa)
Midìna atý anatinay,   )
Mba manjakà ao am-ponay. (inefatra)
 
2 Ny masonay ampihirato tsara, hahitana ny soa hatao;
 Ny tenanay herezo fa malemy, fa mora rera-po 'zahay.
 
3 Ny hevitray ataovy manamavo ny fanaon'izao tany izao,
 Ny andronay ampiadano tsara handroso any an-danitra any.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Fihirana Hasina p. 592
Fihirana Vaovao p. 402
Vavaka sy Hira p. 494
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098