Mba miderà an'i Jôsefa (Zôsefa) raintsika

Mba miderà an'i Zôzefa raintsika
Vady madion'i Maria e
Sy ray mpitaiza ny Mpamonjy
Niala aina an-tanan'i Jesoa.
Dera, dera, dera an'i Zôzefa. (indroa)
 
1 Ny Ray mpitaiza nofidin'i Jesoa
 Dia nahantra fa olo-marim-po:
 Niasa hazo hameloman-tena
 Toy ny fanaon'ny mahantra rehetra.
 
 Ry kristianina 'zay ory sy mahantra,
 Sy izay rehetra efa rera-po
 Antsoy i Zôzefa fa izy no mpiaro
 Ny ory fo rehetra sy ny olo-mahantra.
 
2 'Zahay mifidy anao ho mpiaro
 Ny andronay atý an-tany atý
 Mainka fa rahefa tonga ny farandro
 Tahio re izahay, ry Zôzefa:
 
 Fa fantatrao ny ady mahatahotra
 Hataon'ny demony mpisompatra anay
 Mba iangavio izahay raha handao ny tany
 Ka aoka hiala aina an-tanan'i Jesoa.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Md. Josefa
Fihirana Hasina p. 582
Vavaka sy Hira p. 621
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087