Matokia ianao, ry Jesoa ô

1 Matokia, matokia ianao, ry Jesoa ô.
 Sanatria sanatria tsy verivery foana
 Ilay hafatra napetrakao fahiny:
 Ilay hafatra navelanao ho anay.
 
2 Tena fy, tena fy, ka tsy hohadinoinay,
 Tena soa, tena soa ka ho tandremanay:
 Aoka hifankatia, mifankatiava tsara.
 Io 'lay hafatra navelanao ho anay.
 
3 Raisinay, raisinay, ho voninahitra;
 Ekenay, ekenay fa teny nomenao.
 Hany ianteheranay mandrakizay
 Ilay hafatra navelanao ho anay.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 577
Vavaka sy Hira p. 644
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145