Nanjavona ireo olon-kendry tia fihavanana

1. Nanjavona ireo olon-kendry tia fihavanana...
Manda aron'ny tanàna,
aron'ny tanàna 
Nankaiza ireo mpandimby, toa samy tola
Vitsy no sahy hijoro hiaro ny tena marina
Tankina sy ritra va re ilay fitiavana narotsako,
Narotsako tao am-pony?

Ray aho!
Na tsy andrin'ny hafa aza
Ny ora hiverenanao, ry oloko ô,
Izaho kosa miandry anao,
Matoky anao, mbola tia anao.
Ray aho, satria Andriamanitra aho!
satria Andriamanitra aho!
satria Andriamanitra aho!


2. Miripaka ny olo-marina; voavidy vola,
Vola hozatry ny fiainana,
hozatry ny fiainana.
Nankaiza ireo voaantso, toa samy babo
Vitsy no sahy mijoro hanova ny fahazaran-dratsy.
Tankina sy ritra va re ilay fahendrena narotsako,
Narotsako tao am-pony?

3. Mitsipaka fitiavan-dray ny zaza mpandany
Dimby fanantenako,
fanantenako.
Nankaiza ireo mpanoro, samy midongy,
Vitsy no sahy maniry ny hodiany, ny hiverenany.
Tankina sy ritra va re ilay indrafo narotsako,
Narotsako tao am-pony?

Nampiditra hery
Sokajy Firenena
Ankalazao ny Tompo p. 448
Fihirana Hasina p. 627
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0844