Manaitra sy mampangovitra

1 Manaitra sy mampangovitra
 Ny mandinika anao,
 Ry andro tsy mba fantatra
 Hiafaran'ny aina.
 
2 Ny olo-marina aza
 Ho be tahotra am-po
 Fa mainka ny mpanota;
 Loza loatra ny hanjò.
 
Zôzefa fanantenanay
Mba arovinao 'zahay
Raha avy ny farandro
Hanapitra ny ainay. (indroa)
 
3 Iriko, ry Zôzefa,
 Ny nialanao aina:
 I Jesoa sy ny Reniny
 No nanohana anao.
 
4 Zôzefa, ataovy masina
 Ny hafatesako
 Ny aiko ampandrio
 An-tanan'i Jesoa.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 564
Fihirana Vaovao p. 425
Vavaka sy Hira p. 620
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087