Indro solofo marina no hatsangako

(Jer. 23)

Indro solofo marina no hatsangako ho anao,
Solofo nefa ho mpanjaka,
Hanao ny hitsiny sy rariny
Eran-tany, eran-tany, ho anao, ho anao.
 
(Amin'ny andalantsoratra faharoa: )
 
Feo II  Izy ihany no hampanjaka sy hitory ny marina...
 
Feo III Hampanjaka ny hitsiny sy rariny,
          Hampanjaka azy eran-tany...

 
1 Ny vahoakako rehetra hahita tanjom-pamonjena,
 Ny anarako hanafaka azy eo an-dasim-pijaliana.
 
2 Ny kapoka mandrivorivo zary hody hafaliana,
 Ny asa maro an-terivozona hody ho fiadanan-tsaina.
 
3 Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao:
 Izany no nampaharetako ny indrafoko aminao.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 524
Vavaka sy Hira p. 411
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134