Ianao vady (masina) masin'ny virjiny Maria

1 Ianao vady masin'
 Ny Virjiny Maria,
 Ny fonay no mihanta:
 Ambeno re 'zahay.
 
Mba arovy, fa zanakao. (intelo)
 
2 Ianao 'lay nitaiza
 Ny Mpamonjy antsika,
 Sady natao hoe Rainy:
 Ambeno re 'zahay.
 
3 I Jesoa Zazakely
 Dia notrotroinao:
 Ry Mpiaro ny Zaza,
 Ambeno re 'zahay.
 
4 Nony tonga ny loza
 Hanjò an'i Jesoa,
 Narovanao tsara izy:
 Ambeno re 'zahay.
 
5 Ny zotom-ponao masina
 Nahamendrika anao
 Hamelona azy mianaka:
 Ambeno re 'zahay.
 
6 Ianao 'zay namelona
 Ny Nahary antsika;
 'Zahay koa mba tahio
 Ambeno re 'zahay.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Md. Josefa
Fihirana Dera p. 144
Fihirana Hasina p. 516
Fihirana Vaovao p. 425
Vavaka sy Hira p. 619
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093