Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr'i Israely

Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr'i Israely:
Izy namangy sy efa nanavotra ny vahoakany.

(Tononkiran'i Zakaria: Lk. 1, 67-79) 

1 Nanangam-pamonjena ho antsika ny Tompo
 An-tranoben'i Davida, havan-tiany indrindra.
 Araka ny efa voalazany tamin'ireo mpaminany
 Izy hanafaka antsika anie amin'ny fahavalo.
 
2 Fa notiavin'ny Tompo ireo Razantsika
 Fifanekem-pihavanana no nataony fahiny.
 Toky nomeny ny Razana, tamin'i Abrahama re
 Izy hanafaka antsika anie amin'ny fahavalo.
 
3 Ianao kosa, ry Zaza, dia ho mpaminany
 Fa hialoha ny Tompo hanamboatra ny diany.
 Lazalazao ny vahoakany 'lay famelana ny heloka
 Izy hanafaka antsika amin'ny fahavalo.
 
4 Fa ny fitiavan'ny Tompo Masoandro maraina
 Tonga hanazava ny olona ao anatin'ny haizina.
 Izy hanilo ny làlana ho amin'ilay fiadanana
 Izy hanafaka antsika anie amin'ny fahavalo.

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 486
Fihirana Vaovao p. 89
Fihirana Vaovao p. 297
Vavaka sy Hira p. 434
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094