Hanatona ny ôtely masina aho, hanatona ny ôtelin'i Iaveh

1 Hanatona ny ôtely masina aho,
 Hanatona ny ôtelin'i Iaveh.
 Fa izy no nanome ny hafaliana
 Mameno ny foko sy ny saiko izao.
 
Hanatona aho, hanatona aho,
Hanatona ny ôtely masina aho;
Hanatona aho, hanatona aho,
Hanatona ny ôtelin'i Iaveh.
 
2 Ka voninahitra anie ho an'ny Ray
 Sy ho anao, Jesoa Tompo maminay,
 Ary ho anao, ry Fanahy Mpanamasina,
 Dera isan'andro sy ho mandrakizay.

 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 57
Fihirana Hasina p. 476
Fihirana Vaovao p. 361
Vavaka sy Hira p. 725
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095