Hafaliana lehibe no mameno ny fonay

1 Hafaliana lehibe no mameno ny fonay
 Amin'ny andro anio,
 Ivondronanay rehetra mba hisaotra anao, ry Tompo,
 Amin'ny finoana nomenao anay.
 
Koa ventesinay ny hira fankalazana anao;
Tompo ô, misaotra anao
Amin'ny alàlan'ny Virjiny Imakole:
Dera sy laza no atolotray anao.
 
2 Fototry ny tokantrano, aina ivelomany
 Ianao, ry Kristy Mpamonjy:
 Hamasino izy ireo, omeo firaisan-kina,
 Fandeferana sy herim-po.
 
3 Andrin'ny fianakaviana ianao, ry Kristy:
 Tohano mafy izy ireo,
 Ataovy manome misiônera marobe
 Mba hanohy tsara ny asanao.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 472
Fihirana Vaovao p. 192
Vavaka sy Hira p. 519
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206