Efa nisava ny haizina

1 Efa nisava ny haizina nanarona ny tany, Fa tonga ianao;
 Ry Jesoa zazakely, Mesia nantenaina hanavotra ny ory,
 Avy eto izahay, mba hiarahaba anao.
 
2 Tompo mahefa, anaty tranon'omby mahonena,
 Misaotra anao 'zahay:
 Ry Jesoa zazakely, Mpanjakan'ny mpanjaka,
 Ny herin-tsandrinao no iankinanay sy izao tontolo izao.
 
3 Miseho eto ny fitiavam-be tsy mety ritra itiavanao anay;
 Ry Jesoa zazakely, mahantra sy mijaly anaty lava-bato,
 Atolotray anao, ka raiso ny fonay.
 
4 Misaotra anao, misaotra anao 'zahay fa saika very
 Tanaty afobe:
 Ry Jesoa zazakely navotanao 'zahay, ka faly mankalaza
 Ny famindram-ponao tsy misy fetra.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 440
Fihirana Vaovao p. 385
Vavaka sy Hira p. 669
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0895