Atolotray, ry Tompo, ny mofo sy ny divay

1 Atolotray, ry Tompo, ny mofo sy ny divay
 Ambonin'ny ôtely:
 Mba raiso ka ovao ho tenan'ny Zanakao.

2 Atolotray, ry Tompo, miaraka amin'ireo
 Ny tenanay tontolo:
 Mba raiso ka ovao ho sorona masina.

3 Atolotray, ry Tompo, atolotray ho anao
 Ny fonay manontolo:
 Mba raiso ka mba tano ho anao mandrakizay.

4 Ekeo ny tolotray, ry Tompo malalanay,
 Na dia tsy mendrika aza,
 Ho Sorom-pamonjena izao tontolo izao.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 73
Fihirana Hasina p. 414
Fihirana Vaovao p. 365
Vavaka sy Hira p. 730
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087