Hanatona ny Otely Masina aho, hanatona Anao ry Jesoa ô

Hanatona ny Otely Masina aho,
Hanatona Anao ry Jesoa ô,
Hanolotra ny vokatry ny tany
Tompo ô, raiso fa vokatry ny fo.

 
1-  Tompo ô, ovay ny mofo:
Mba ho tonga vatanao;
Indro koa ny divay:
Ovay ho zary ho Ranao.
 
2- Raiso fa atolotry ny Pretra
Miaraka amin’ny vavakay;
Atolotray Anao ry Tompo
Ho Sorona famonjena anay.
 
3- Raiso na dia tsy mendrika aza
Mba ho Anao mandrakizay;
Anao irery ny Haja anio,
Ampitso, mandrakizay.

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Hiran-damesa
Fihirana Hasina p. 476
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096