Aoka re ianao ho mpandresy

Aoka re ianao ho mpandresy       )
Handresy ny ratsy amin'ny tsara. ) (indroa)
 
Aoka re ianao ho mpandresy                  )
Handresy ny haizina amin'ny hazavana. ) (indroa)
 
Aoka re ianao ho mpandresy                   )
Handresy ny hala volo amin'ny fitiavana. ) (indroa)

1 Hoderaina anie ianao, ry Tompo ô,
 Hoderaina anie ianao, ilay vatolampiko!
 Mpanazatra ireto tànako hiady;
 Mpampianatra ny sandriko hiantafika.
 
2 Mpanomba sady mandako izy manko,
 Ilay rovako ary koa mpanafaka ahy;
 Eny, izy no ampingako miaro ahy;
 Omeny ahy ny fizakana ny vahoakako.
 
3 Inona àry ny olombelona, ry Tompo,
 No mba tsarovanao izato izy,
 Ary inona ny zanak'olombelona
 No mba saininao ho zavatra tokoa?
 
4 Toy ny tsio-drivotra, eny, ny olombelona,
 Ary aloka miserana ny androny.
 Aondreho ny lanitrao, midìna, Tompo;
 Dia kasiho ny tendrombohitra hirehitra.
 
5 Alefaso hifanaretsaka ny tselatra,
 Atorahy ny tsipìka, hampatahotra.
 Ny tananao ahinjiro avy any ambony,
 Ary dia ho afaka tokoa izany tenako.
 
6 Dia avoty aho amin'ny rano be,
 Amin'ny tanan'ireo hafa firenena:
 Lainga foana no hambaran'izy ireny,
 Ary tànana mpamitaka ny tànany.
 
7 Ianao no hoderaiko sy hobìko,
 Hobìko amin'ny antsa vaovao;
 Ary koa hitendreko valiha,
 Dia valiha tory folo mikarantsana.
 
8 Eny, izany dia ho anao ilay mahatonga
 Ireo mpanjaka eran-tany ho mpandresy,
 Sy miaro an'i Davida ilay mpanompo
 Tsy ho voan'izay sabatra mamono.
 
9 Dia avoty ka vonjeo aho, ry Tompo ô,
 Amin'ny tanan'ireo hafa firenena:
 Lainga foana no ambaran'izy ireny,
 Ary tànana mpamitaka ny tànany.
 
10 Hoderaina ianao, Ray, ilay tsara fo,
 Tia mamaly ny haratsiana amin'ny tsara;
 Sy i Jesoa mpandresy ny ota amin'ny fitiavana;
 Ary ianao, ilay mpankahery sy mpikatroka.
 
11 Ireo zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo
 Mirobona faniry
 Hatramin'ny fahakely... Maharavo.
 
12 Ireo zanakay vavy ho toa andry fehizoro
 Izay tena tsara sokitra,
 Fanao any an-dapa.
 
13 Ny sompitray anie mba ho tena feno hika,
 Ary koa ho safomorona
 Ho hipo-java-tsoa.
 
14 Ny andian'ondrinay, an'arivony aman'alina,
 Mameno ny kijana,
 Ny ombinay matavy.
 
15 Ka sambatra ny firenena izay mba toy izany,
 E! sambatra fa manana
 Ny Tompo ho Andriamanitra.
 
16 Isaorana ianao, Jesoa, nahafoy ny ainao feno,
 Ny Ray kosa indro fa
 Nanolotra azy anao indray.
 
17 Ireo santatry ny soa sesehena any an-danitra,
 Atolotrao anay izao,
 Ry Fanahy: misaotra anao!

 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 472
Fihirana Hasina p. 408
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1136