Andriamanitra velona Tomponay ô

1 Andriamanitra velona Tomponay ô!
 Sitrakao ny hifamatotra taminay,
 Ka jereo: Teny velona no napetrakao
 Tao an-trano feno hafaliana fonenanao
 Nibanjinan'ny vahoaka
 Ny Voninahitrao manjopiaka.
 
2 Andriamanitra velona Rainay ô!
 Telinao ny hifamatotra taminay:
 I Jesoa Vato velona efa natolotrao
 Mba ho Tempolinao masina irafetanay:
 Ibanjinan'ny vahoaka
 Ny Voninahitrao mahaliana.
 
3 Andriamanitra velona Rainay ô!
 Maminao ny hifamatotra aminay,
 Izahay Vato velona tsy afoinao
 Mba ho Trano itoeran'ny Fanahinao:
 Hibanjinan'ny tontolo
 Ny Voninahitrao mahasondriana.
 

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 508
Fihirana Hasina p. 394
Vavaka sy Hira p. 704
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0445