Andriamanitra Ray Zanahary Tompo

1 Andriamanitra Ray Zanahary Tompo:
 Nahary tongotra aman-tànana,
 Lolohavina sy tompoina
 Fa Mpanjaka ambony indrindra,
 Ataovy enin-kaja amam-boninahitra!
 
2 Ilay zanaka tonga nofo
 Voninahitra ho an'ny Rainy,
 Fihavanana sy fiadanana
 No entiny etý amintsika:
 Ataovy enin-kaja amam-boninahitra!
 
3 Ny fanahin 'ny Ray nitsimbina an'i Maria
 Mba ho tonga Renin'Andriamanitra
 No manentana ny fiainantsika
 Mba ho zanaka manaha-dRay!
 Ataovy enin-kaja amam-boninahitra!
 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Ankalazao ny Tompo p. 397
Fihirana Hasina p. 392
Fihirana Vaovao p. 289
Vavaka sy Hira p. 678
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094