Andriamanitra ô, izaho mino mafy

1 Finoana
Andriamanitra ô, izaho mino mafy
Ny teny rehetra inoan'ny Eglizy,
Masina, Katôlika, Rômanina,
Sy ampianariny anay;
Fa ianao no nanambara izany. (indroa)
 
2 Fanantenana
Andriamanitra ô,
Izaho miankina amin'ny Teninao (indroa)
Sy amin'ny soa nataon'i Jesoa Kristy;
Koa antenaiko ny fitahianao etý an-tany
Sy ny hafinaretana any an-danitra any,
Raha manaraka, raha manaraka ny didinao. (indroa)
 
3 Fitiavana
Andriamanitra ô, izaho tia anao
Amin'ny foko rehetra,
Ambonin'ny zava-drehetra
Satria soa indrindra ianao,
Ka tokony ho tiana indrindra.
Izaho tia ny namako tahaka ny tenako
Noho ny fitiavako anao. (indroa)
 

Nampiditra Belle
Sokajy Finoana - Fitiavana
Fihirana Hasina p. 388
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0254