Andeha isika ho any Betilehema Betlehema

1 Andeha isika
 Ho any Betlehema
 Hamangy ny Tompo
 Mesia nantenaina.
 
2 Nisento nivavaka
 Niandry anao ho tonga
 Ny Jody fahiny
 S'izao tontolo izao.
 
Faly izahay miarahaba anao, mitsaoka sy midera
Mihoby, mankalaza, misaotra anao,
Ry Jesoa Mpamonjinay.
 
3 Dia tonga 'lay andro
 Andro sarobidy
 Noely, Noely,
 Nitondra famonjena.
 
4 Nantsoin'ny Anjely
 'Reo mpiandry ondry
 Nanainga ny diany
 Nankany aminao.
 
5 Nandimby ny Majy
 Avy atsinanana
 Tarihin'ny kintana
 Ka tonga anilanao.

 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 384
Vavaka sy Hira p. 675
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076