Anareo ny zavatra rehetra

Anareo ny zavatra rehetra,
Ianareo an'i Kristy,
Kristy anie an'Andriamanitra,
Dia hanjaka ny Ray ao an-danitra.
 
1 Noarìny isika olombelona
 Nokolokoloiny nomeny fanahy
 Dia tonga olona
 Ka ny olona antsoiny ho zanaka
 Hanjary fitiavana mitovy amin-Janany
 Nitsangan-ko velona.
 
2 Efa antsika ny zavatra rehetra
 Reseo ny tahotra, manàna finiavana
 Hanjaka amin'ny tany
 Rony saha feno vary
 Ny firenena hiadam-pinaritra
 Fa samy mpihavana.
 
3 Misandrata ry vola-mazava
 Ho fanambaràna ny tany aman-danitra vaovao
 I Kristy nitsangan-ko velona
 Hiadananay anaty hasambarana
 Ao amin'ny Ray.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 381
Fihirana Vaovao p. 88
Vavaka sy Hira p. 776
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093