Ianao irery no Masina - Voninahitr'i Md Fransoa

Ianao irery no Masina, ry Tompo Andriamanitra ô,
Fa manao zava-mahatalanjona ianao.
 
Mahery ianao, Lehibe ianao,
Avo indrindra ianao,
Mpanjaka Mahefa ny zavatra rehetra ianao,
Ray Masina ô,
Mpanjakan'ny tany aman-danitra.
 
Olona Telo ianao nefa Andriamanitra tokana,
Tompo Andriamanitry ny andriamanitra rehetra.
Ianao no soa, soa manontolo,
Soa lavorary indrindra.
Tompo Andriamanitra velona,
Tena Andriamanitra.

Hatsaram-po sy Fitiavana ianao,
Fahendrena ianao, Fanetren-tena ianao,
Faharetana ianao,
Hatsaran-tarehy ianao. (indroa)
 
Ianao irery no Masina, ry Tompo Andriamanitra ô,
Fa manao zava-mahatalanjona ianao.
 
Fanantenana ianao sy haravoana,
Fahamarinana ianao, fahalalana onona,
Harena feno fatra, ampy ho anay ianao. (indroa)
Hatsaran-tarehy ianao, halemem-panahy
Mpitahy anay ianao, mpiaro sy mpiambina
Hery sady Vonjy ianao,
Rivo-tsoa mamelom-bolo. (indroa)
Fanantenanay ianao,
Finoanay e ianao, Fitiavana ho anay e ianao,
Hafinaretana maminay sady feno fatra ho anay,
Ianao no fiainanay mandrakizay. (indroa)
 
Tompo lehibe ianao sady mahagaga. (indroa)
Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra ianao,
Ray Masina ô,
Mpamonjy be indrafo ianao.
 
Ianao irery no Masina, ry Tompo Andriamanitra ô,
Fa manao zava-mahatalanjona ianao.

Nampiditra Belle
Sokajy Voninahitra
Fihirana Hasina p. 367
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1361