Sambatra izay matoky an'i Iaveh

Fiv: Sambatra izay matoky an'i Iaveh
Manokan-tena ho azy mandrakizay;
Sambatra izay matoky an'i Iaveh
Feno haravoana ny fony, endrey.

1 - Mahatsiaro sambatra aho raha eo anilanao,
Mahatsiaro sambatra aho, Tompo
ô.

2 - Ny vola sy ny harena dia tsisy raha jerena
Raha tsy eo anilanao,
Tompo ô.

3 - Ny dina izay nekena dia toy ny volamena
Raha eo anilanao,
Tompo ô.

4 - Ny asa izay atao dia asa very maina
Raha tsy eo anilanao,
Tompo ô.

5 - Ny hasasaran-taona dia misavoana
Raha tsy eo anilanao,
Tompo ô.

Nampiditra pissoa
Sokajy Fidirana
Fihirana Dera p. 44
Fihirana Vaovao p. 413
Vavaka sy Hira p. 530
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0687