Te-hidera Anao aho, Iaveh ô

Fiv: Te-hidera Anao aho, Iaveh o,
Hankalaza hatrany ny Anaranao,
Te-hihoby Anao, Tompo ny vavako
Fa mahagaga ny fitiavanao.

1 - Isan'andro aho tantananao
Vao minatso aho henoinao,
Feno haravaoana ny tenako
Notoloranao ny famonjena.

2 - 'Reo fahavalo mikendry ahy
Nofongoranao ka resy foana,
Feno haravoana ny tenako
Notoloranao famonjena.

3 - Hoy Ianao : "Avia ry zanako,
Aza kivy foana mandehana hatrany !"
Feno haravoana ny tenako
Notoloranao famonjena.
 

 

Nampiditra pissoa
Sokajy Fidirana
Fihirana Dera p. 44
Fihirana Hasina p. 722
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009