Na EKA, VK na IRAKA

Na EKA, VK na Irak'i Kristy,    )
Fivondronana iray ihany:       ) (indroa)
Zoky sy zandry mifankatia e. )
 
1 Indreto izahay, Andriamanitra Ray ô,
 Tafavory mba ho iray
 Mba haneho firaisan-kina
 Sy hanamafy ny finoanay,
 Ka omeo hery sy tohano,
 Fa maro tokoa ny fahavalo;
 Ka fo mirana mandrakariva
 No entinay hiara-dia.
 
2 FETY no anarana entinay:
 Iraka, vavolombelonao,
 EKA te hampanjaka anao.
 Jesoa Zoky filohanay,
 Iray vatsy sy iray aina,
 Iray tampo aminao izahay:
 Zoky sy zandry mifankatia,
 Vondrona iray ka miara-dia.
 
3 Vavaka hery sy mofon'aina
 Tonga sakafo mamelona aina,
 Hery manosika mba hiasa
 Hanatanteraka izay kinasa:
 Handavorary ny fiainanay,
 Ho taha-dreny sy taha-dray,
 Ho tahaka ilay Zoky be fitia,
 Miray hina sy miara-dia.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Tanora
Fihirana Hasina p. 325
Vavaka sy Hira p. 826
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771