Voninahitra ho an'ny lanitra - Andeha isika hitsaoka 'zany mpamonjy vao teraka

Voninahitra ho an'ny lanitra,
Fiadanana eto an-tany e.
 
(Andeha e) Andeha isika hitsaoka )
'Zany Mpamonjy vao teraka          )
Nolazain'ny anjely:                       ) (indroa)
Izy ilay nandrasana.                      )
 
1 Mifalifalia e, ry Jerosalema,
 F'ilay Mesia e ao Betlehema:
 
2 Ny feon-dakolosy e miantso: Avia!
 Ry mponin'ny Nosy e, derao ny Mesia:
 
3 Ny ali-mangina e dia feno korana:
 Jesoa 'lay nirina e no fahazavana:
 
4 Jesoa Zazakely e Fitiavan'ny Ray
 Mpanjakan'ny anjely e derainay:
 
5 Ho anao Andriamanitra e ny atolotray:
 Tsy emboka manitra e, fa ny fonay:

 

Nampiditra Belle
Sokajy Noely
Fihirana Hasina p. 318
Fihirana Vaovao p. 452
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.056