Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava

Mba omeo anay e, mba omeo anay
Ny Fanahy Mpanazava, ô ry Jesoa ô!
 
1 'Zay rehetra nolazain'ny Raiko ahy
 No nambarako anareo.
 
2 Ianareo dia votsa saina, mpanadino:
 Tadidio 'zay nolazaiko.
 
3 Mbola tsy ampy fahalalana ianareo
 Ka ho avy ny Fanahy.
 
4 Lasana aho ka tsy ho hita eto intsony:
 Izy hitoetra am-ponareo.
 
5 Zava-tsoa no fanomenareo ny zaza,
 Fa ny Raiko: ny Fanahy.
 
6 Izy hanoro sy hampahatsiaro anareo
 'Zay voalazako rehetra.
 
7 Ankamantatra ankehitriny ny Fambara
 Raha tsy eo ny Fanahy.
 
8 Isan'andro dia handika teny izy:
 Ireo hafatra navelako.
 

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Ankalazao ny Tompo p. 445
Fihirana Hasina p. 312
Fihirana Vaovao p. 508
Vavaka sy Hira p. 496
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088