Henika hafaliana ny mpiandry ondry

Henika hafaliana ny mpiandry ondry,
Feno haravoana ireo majy,
Noho izay rehetra hitany sy reny.
Rakotry ny feo naeliny ny tany(Lk. 2, 20) 

(Lk. 1, 68-79) 
 
1 'Ndeha hisaorana ny Tompo Andriamanitr'i Israely
 Fa namangy sy nanavotra ny olony tokoa:
 Indro tandro-pamonjena no najorony ho antsika,
 Avy amin'ny taranak'i Davida ilay mpanompony.
 
2 Fa izany rahateo no nambarany hatrany
 Tamy vavan'ireo mpaminany masiny fahiny:
 Hovonjeny amy fahavalontsika manko isika
 Sy halàny avy eo an-tanan'ireo mpakahala antsika.
 
3 Indro asehony fa namindrany fo ny razantsika
 Ka tandrovany ny fanekena masina nataony,
 Velirano tsy mifody, fianianana tsy miova,
 Dia tamin'i Abrahama Razambe iombonantsika.
 
4 Fa hoe 'sika dia halàny avy eo an-tanam-pahavalo,
 Fa tsy tiany hanompo azy amin-tahotra isika,
 Fa ho amy toetra masina sy marina tokoa
 Eo imasony, mandritra ny andro rehetra iainantsika.
 
5 Fa ianao anefa, anaka, dia indro fa izao
 Dia atao hoe Mpaminanin'izy Tompo Avo indrindra,
 Fa ianao no hizotra eo alohan'izy Tompo:
 
6 Hahafahanao mamboatra izay làlana hombany,
 Dia hatoronao ny olony ny tena famonjena:
 Famelana ny hadisoana sy ny heloka nataony!
 
7 Fa satria Andriamanitra namindra fo tokoa,
 Ka nandefa ilay Masoandro
 hamangy antsika avy any ambony,
 Dia masoandrony miposaka, fanilo manazava...
 
8 Manazava 'reo 'zay monina ao anaty haizim-pito
 Sy 'reo difotry ny alo-pahafatesana manara,
 Ka mba hitondrany antsika amy lalam-piadanana! 


 

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 290
Fihirana Vaovao p. 519
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087