Sambatra izay voavela heloka

Fiv : Sambatra izay voavela heloka,
Monina an-tranonao, ry Ray ô.

1 - Izay nandao 'lay fihavanana
Mijaly be lavitra Anao.

2 - Tsy afa-pon'ny eto an-tany,
'Ty zanakao manina Anao.

3 - Nandrasanao 'zay hiverenany,
Fihininao ny zanakao.

4 - Hadinonao 'zay hadisoany
Fa be fitia Ianao, ry Ray.

5 - 'Ty zanakao maty ka velona
Very tokoa ka hita indray.

6 - Miadam-po, miadan-tsaina,
Midera Anao mandrakizay.

Nampiditra pissoa
Sokajy Karemy
Fihirana Dera p. 111
Fihirana Hasina p. 714
Fihirana Vaovao p. 73
Vavaka sy Hira p. 512
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757