Ny Fifandraisan'ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina

Nampiditra : hery
Daty : 05/02/2008

Voaresaka matetika amin'ny fiarovana ny foto-pinoana Katolika ny fifandraisan'ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina.

Araka ny fijery Katolika iray dia loharano roa mirakitra fanambarana avy amin'Andriamanitra izy ireo. Raha avy amin'ny Soratra Masina no hahalalana ny ampahan'ny Fahamarinana avy amin'Andriamanitra, dia avy amin'ny Lovantsofina kosa no hahafantarana ny hafa. Na dia efa ela aza no nisian'ireo loharano roa ireo, dia mbola sarotra ny hahazoana azy. Isan'izany ny fisian'ny fifanojoan'ny zavatra voalazany.

Ny Baiboly ohatra dia manambara mazava ny tsy maitsy hanaovan'ny Kristianina Batemy (Matio 28 : 19). Fa tsy voarakitra amin'ny Lovantsofina koa ve izany ? Tsy sady nampitaina tamin'ny resaka ve ny didy hanaovana Batemy tao amin'ny fiangonana taloha, no voarakitra ao amin'ny Soratra Masina ? Tsy efa nazava be ve ny fitakiana ny Batemy talohan'ny nanoratana ny Testamenta Vaovao, efa mafy orina tao amin'ny fiainana sy ny finoan'ny fiangonana ?

Tsy tahaka izany koa ve ny fankalazana ny Eokaristia ? Ny hanompoana Andriamanitra tokana ? Ny mahaAndriamanitra an'i Jesoa ? Amin'ny ankapobeny, tsy tamin'ny Lovantsofina ve no nampitana ny ankabeazan'ny finoana Kristianina, izay vao nosoratana ?

Ny fandinihana ny maha-samy loharanon'ny fahamarinana ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina dia mety hiafara amin'ny fanafangaroana azy ireo. Hita taratra izany amin'ny fanontaniana apetraky ny Katolika hoe hatraiza amin'ny sola scriptura no azon'ny Katolika ekena. Misy hevitra maromaro no azon'ny protestanta amin'ny teny hoe sola scriptura, fa amin'ny ankapobeny dia hoe hita ao amin'ny baiboly daholo izay ilaina rehetra amin'ny teolojia. Izany hoe, tsy mila mijery ny Lovantsofina ny mpahay teolojia, na farafaharatsiny, tsy tokony hanova na inona na inona ny Lovantsofina.

Tsy eken'ny Katolika izany fomba fijery izany. Ny Konsilin'i Vatikana faharoa dia milaza, ao amin'ny Dei Verbum, fa “Tsy avy amin'ny Soratra Masina ihany no hahafahan'ny Fiangonana mahatoky ny fahamarian'izay efa nambarany. Noho izany, ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina dia tokony ekena sy omena lanja mitovy amin'ny fahamarinany sy ny hajany”(DV 9)

I Yves Congar, mpahay teolojia frantsay, isan'ny nanorina ny Dei Verbum, dia nieritreritra fa mety ho afaka manaiky ny fahamarinan'ny hevi-dehibe iray amin'ny scola scriptura ny Katolika.

Nanoratra izy mantsy fa “afaka ekentsika ny sola scriptura raha raisina fotsiny amin'ny ilana ny Baiboly Kanonika. Izany hoe voarakitra ao amin'ny Soratra Masina, amin'ny fomba samihafa, ny fahamarinana ilaina hahazoana ny famonjena.” (Tradition and Traditions, 410).

Nofeheziny tamin'ny hoe Totum in scriptura, totum in traditione (“Ao amin'ny Soratra Masina ny rehetra, ao amin'ny Lovantsofina ny rehetra”), izay nambarany koa fa hevitry i Karidnaly Newman, io heviny io. Araka io hevitra io, dia tsy loharano roa samihafa ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina, fa fomba roa nampitana ny finoana iray. “Fomba roa” no hiantsoantsika ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina eto, hanavahana azy amin'ny hoe “Loharano roa”.

Ny Konsilin'i Trent sy Vatikana II dia samy mamela ny Katolika hitana ny maha-fomba samihafa nampitana ny finoana ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina, fa tsy mangataka izany. Afaka mitana ny maha-loharano samihafa ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina koa ny Katolika.

Ny Fampiasana Azy

Misy mpiaro ny foto-pinoana sy foto-kevitra Katolika, miasa miaraka amin'ny Protestanta, mampiasa ny maha-fomba roa hampitana ny finoana ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina. Mety manampy ny Protestanta izay te hifindra Katolika izany. Mety hisorohana koa ny fihitaran'ny ady hevitra amin'ny ady hevitra iray hafa. Mety hiteny araka izany izy ireny fa :

Tsy tena ilain'ny Katolika ny milaza fa tsy ampy ny Baiboly – na misy zavatra ilaina hahazoana ny famonjena nefa tsy ampianarin'ny Baiboly. Voarakitra ao amin'ny Soratra Masina izay rehetra ilaina hahazoana ny famonjena, ary afaka mitovy hevitra amin'ny Protestanta isika amin'izay lafiny izay. Tsy mora nefa ny hanakarana ireo zava-marina ireo araka ny tokony ho izy avy amin'ny Baiboly fotsiny. Mila ny Lovantsofina isika hahafahantsika manao izany. Ny Soratra Masina, araka izany, dia mirakitra ny zava-dehibe ilaintsika fotsiny fa tsy ampy hanakarana ny marina rehetra.

Mila mitandrina tsara ny “apologists” mampiasa io hevitra io. Ny fitandremana lehibe indrindra dia ny hiheverana fa izay no marina, na izay no hevitry ny Fiangonana Katolika. Tsia, tsy izany. Hevitra iray mety ho azon'ny Katolika tazomina io, nefa manohitra ny fiangonana ny fiheverana fa izay no inoan'ny Katolika rehetra, na izay no tokony inoan'ny Katolika rehetra.

Mila mitandrina koa izy rehefa miresaka ny maha-ampy ny Baiboly. I Congar ohatra dia nilaza fotsiny fa efa voarakitra ao amin'ny Baiboly “ny fahamarinana ilaina hahazoana ny famonjena”. Tsy nilaza mihitsy izy fa ampy ny Baiboly hahafantarana ny marina rehetra amin'ny Teolojia. Zavatra roa samy hafa be ireo rehefa miresaka ny sola scriptura.

Amin'ny Protestanta matetika ny sola scriptura dia midika fa efa voarakitra ao amin'ny Baiboly ny fahamarinana ilaina hahazoana ny famonjena. Rehefa tena miresaka nefa, dia mihitatra io hevitra io, toy ny hoe mirakitra ny marina rehetra mikasika ny Teolojia Kristianina ny Baiboly.

Izany no mahatonga ny Protestanta betsaka manontany foana hoe “Aiza ao amin'ny Baiboly izany ?” na dia Finoana Katolika aza no resahina, ary tsy misy hifandraisany mivantana amin'ny Famonjena. Izany hoe na dia mety hisy aza lafiny hitoviana hevitra amin'ny sola scriptura, dia tsy manova zavatra betsaka izany.

Lanana Malalaka, Lalana Ety

Ankoatra izay, na dia azo atao aza ny mampiseho ireo hevitra roa samy azon'ny Katolika ekena ireo rehefa manazava ny foto-pinoana, dia tsy midika izany fa tokony hampiasa hevitra iray isika hiarovana foto-kevitra na finoana fotsiny. Mila dinihintsika koa raha tena marina tokoa fa Totum in scriptura, totum in traditione. Raha ampiharina fotsiny amin'ny fahamarinana ilaina hahazoana ny famonjena dia heveriko ho marina fa Totum in scriptura, totum in traditione. Tsy hitako izay fahamarinana ilaina amin'ny famonjena ka tsy hita ao amin'ny Soratra Masina, na farafaharatsiny voaresaka na tsy mivantana aza.

Rehefa itarina amin'ny lafiny hafa ny fampiharana azy vao mitranga ny olana. Toa misy fahamarinana amin'ny teolojia fa tsy voaresaka ao amin'ny Soratra Masina. Ny Baiboly ohatra dia tsy milaza fa tsy hisy intsony ny fisehoana ampahibemaso. Tsy voalaza mivantana ao amin'ny Baiboly izany. Tsy nilaza koa ny Baiboly fa tsy hisy "tsindrimandry" avy amin'Andriamanitra intsony hanampiana ny boky ao amin'ny Soratra Masina, na tsy hisy Apostoly hafa intsony. Ny Apostoly dia olona niaraka sy nanatri-maso an'i Jesoa tamin'ny asa nataony tety an-tany (Asa 1 : 21-22), nefa niseho i Kristy nandendry an'i Paoly ho Apostoly na dia tsy nahita maso Azy aza izy. Mbola afaka niseho/miseho amin'ny olona i Jesoa, ary manendry azy ho isan'ny Apostoly raha izay no sitrapony. Saingy fantantsika avy amin'ny Lovantsofina fa tsy nitranga izany - maty ny Apostoly ary napetrany tamin'ny mpandimby azy, ny eveka, ny Fiangonana - fa tsy milaza izany amintsika ny Baiboly.

Ny maha-tsy azon-keloka an'i Masina Maria sy ny nampiakarana azy any an-danitra dia lazaina matetika fa tsy nampianarin’ny Baiboly, na dia maro aza ireo mihevitra fa misy andalana ao amin’ny Soratra Masina mampatsiahy ireo fahamarinana ireo (Ohatra : Lioka 1 : 28, Fanambarana : 12 : 1 – 14). Izany no mahatonga ny fanontaniana hoe ahoana no hampifandraisana ny fahamarinana avy amin’ny Lovantsofina amin’ny Soratra Masina. Tsy hoe na “ao amin’ny Soratra Masina” na “tsy ao amin’ny Soratra Masina” fotsiny ve nefa izany ? Misy endrika maro hafa ny fifandraisan’ny Lovantsofina sy ny Soratra Masina.

Fifandraisanan'ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina

Misy fahamarinana avy amin’ny Lovantsofina voalaza mazava ao amin’ny Soratra Masina. Ohatra amin’izany ny naharian’Andriamanitra izao tontolo izao. Voalaza ao amin’ny Baiboly fa : “Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.” (Jenezy 1 : 1 ).

Misy fahamarinana lazain’ny Lovantsofina izay tsy voalaza mivantana ao amin’ny Soratra Masina, saingy noresahin’ireo nanoratra ny Baiboly mazava. Ny Baiboly ohatra dia tsy milaza mivantana fa «Olona» ny Fanahy Masina fa tsy “Hery”, saingy misy andalana maro mampiseho izany. Voalaza ao amin’ny Baiboly ohatra mantsy fa “niteny” tamin’ny olona ny Fanahy Masina (Asa 13 : 2), ary ninoan’ny nanoratra ny Baiboly fa ho azontsika izany.

Ny fahamarinan’ny Lovantsofina sasany dia azo tsoahina avy amin’ny Soratra Masina na dia tsy nolazain’ny mpanoratra mazava aza izany. Ny fikasan'Andriamanitra sy olombelona ao amin'i Jesoa ohatra dia azo tsoahiny avy amin'ny maha “tena Andriamanitra sady tena olombelona” Azy (Katezisin'ny Fiangonana Katolika 464). Maro ny andalan-tSoratra Masina milaza fa sady tena Andriamanitra i Jesoa no tena olombelona, saingy tsy misy andalana kosa milaza fa manana ireo faniriana roa ireo izy.

Misy zava-marina koa, voaresaka amin’ny Soratra Masina saingy tsy afaka hanaporofoana ny fahamarinany raha ny Soratra Masina fotsiny. Ny filazana an’i Masina Maria ho “tsy azon-keloka” ohatra dia taratra tamin’ny nolazain’ny Anjely Gabriely taminy ao amin’ny Lioka 1 : 28 ; ny nampiakarana an’i Masina Maria any an-danitra dia taratra amin’ireo “elatra” nomena ilay vehivavy voalaza ao amin’ny Fanambarana 12 : 14 ; saingy tsy afaka manaporofo ireo zava-marina ireo ny Soratra Masina irery.

Misy fahamarinana azo vinavinaina avy amin’ny Soratra Masina, tahaka ny fankalazana ny Sakramenta – ny fomba, ny antony, ny mpizara ary ireo mandray ny Sakramenta. Voaresaka ao amin’ny Baiboly ny Sakramenta, saingy tsy nofaritan’ireo nanoratra mazava, na amin’ny antsipirihany kosa ny fandraharahana amin’izany. Noheverina tamin’izany fa hotaratry ny mpamaky (ny Baiboly) amin’ny fomba arahin’ny Fiangonana ny valin’ny fanontaniany rehetra. Ny Sakramentan’ny Fampihavanana ohatra dia voaresaka ao amin’ny Baiboly, saingy tsy voasoratra ao kosa ny teny tokony ampiasaina amin’ny famontsoran-keloka.

Misy fahamarinana izay tsy hita ao amin’ny Soratra Masina mihitsy. Isan'izany, araka ny efa hitantsika teo aloha, dia tsy hisian'ny fanambarana na Apostoly hafa intsony.

Matetika dia sarotra ny hahafantarana hoe aiza amin'ireo sokajy ireo no misy ny fahamarinana iray, saingy tsy zava-poana ny hanadihadiana azy ; hanadihadiana raha ara-bakiteny na amin'ny fanoharana no ahitana ny fototry ny finoana iray ao amin'ny Soratra Masaina ; ary hatraiza no fahafahan'ny Soratra Masina manamarina izany raha oharina amin'ny Lovantsofina.

Ilain'ny “apologist” ny mandanjalanja izany rehetra izany amin'ny fanadihadiana ny fifandraisan'ny Soratra Masina sy ny Lovantsofina mba hahafahany mamaritra ny fifandrindrany.

© Catholic Answers, Inc.

Nandika: Pissoa
Nanoratra: James Akin

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0371 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org