NY FOTOANA NAHAFATESAN’I JESOA: Ny taona, ny volana, ny andro, ny ora.

Nampiditra : Olive05
Daty : 05/04/2017

Hankalaza ny Zoma Masina isika tsy ho ela. Ny Zoma Masina, izay hahatsiarovantsika manokana ny nahafatesan’I Jesoa Kristy Tompontsika teo amin’ny hazo fijaliana teny an-tampon’ny Kalvery. Fahatsiarovana sy fankalazana ny fara-tampon’ny fitiavan’Andriamanitra no ataontsika fa moa ve fantatsika marina ny momba izany fotoana sarobidy izany?

Indro ary, ireo teboka fito hahalalana ny fotoana nahafatesan’i Jesoa Kristy Tompontsika.  

Tsara ho fantatra mialoha:

A.D = Anno Domini = Anno Domini Nostri Iesu Christi = Andron’i Kristy. Izany hoe ny A.D 1 dia ny taona 1, miainga avy amin’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ka noraisin’ny fanjakana maneran-tany ho fanombohana ny fanisana ny taona rehetra mifandimby.

J.D = (tsy hita)

1.Ny Evanjely dia milaza fa ny namantsihana an’i Jesoa dia avy amin’ny torohevitr’i Kaifa
« Tamin'izay dia nivory tao an-tranon'ny lehiben'ny mpisorona atao hoe Kaifa ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona, ary niara-nioko hisambotra an'i Jesoa am-pitaka, sy hamono azy izy ireo. » (Matio 26, 3 – 4; Joany 11, 49 – 53)
 
I Kaifa dia mpisorona nanomboka ny A.D 18 hatramin’ny A.D 36. Izany hoe tao anatin’ny fotoana naha voafidy ho mpisorombe an’i Kaifa no maty i Jesoa.
 
2.Ny fitondrana faha Pontsy Pilaty
Ny Evanjely rehetra dia milaza fa baiko nomen’i Pontsy Pilaty no nentina namantsihina an’i Jesoa (Matio 27, 24-26 ; Marka 15, 15 ; Lioka 23, 24 ; Joany 19, 15-16) : « Ary noho Pilaty te-hahazo sitraka amin'ny vahoaka, dia nandefa an'i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an'i Jesoa sy nanolotra azy hofantsihana tamin'ny hazo fijaliana. » 
 
Ary fantatra ihany koa fa i Pontsy Pilaty dia governoran’i Jodea ny taona A.D 26 hatramin’ny A.D 36. Azontsika araka izany ny taona hamaritana ny nahafatesan’I Jesoa.
 
3.Taorian’ny « 15 taonan’i Tibérius César »
Ny Evanjelin’i Md Lioka dia milaza hoe oviana no nanomboka ny ministeran’i Joany Batista. Izany dia ny taona faha 15 tamin’ny fitondran’I Tibère César ny “empire” romanina. Lioka 3, 1 – 2: “Tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folon'ny nanjakan'i Tibera Sezara, fony Pontsy Pilaty no governora tany Jodea, Heroda no tetrarka tany Galilea, Filipo rahalahiny no tetrarka tany Abilena, ary Ana sy Kaifa no lehiben'ny mpisorona, dia tonga tamin'i Joany zanak'i Zakaria tany an'efitra ny tenin'Andriamanitra.”
 
Raha tsorina dia ny taona A.D 29 izany.
Ny Evanjely efatra dia samy milaza fa ny ministeran’I Jesoa Kristy dia nanomboka tao aorian’ny an’I Joany Batista (Matio 3, Marka 1, Lioka 3, Joany 1). Izany hoe tao aorian’ny A.D 29, ary tsy mihoatra ny A.D 36 raha manaraka tsara isika.
 
4.Nofantsihina andro Zoma
Samy milaza tokoa ny Evanjely efatra fa andro zoma no namantsihina an’i Jesoa (Matio 27, 62 ; Marka 15, 42 ; Lioka 23, 54 ; Joany 19, 42) : « Ka noho ny maha-andro fiomanan'ny Jody tamin'izay dia tao no nandevenany an'i Jesoa » andro fiomanana moa no niantsoana ny andro Zoma tamin’ny Jody, satria mialohan’ny sabata. 
Ny sabata izay mialohan’ny andro voalohan’ny herinandro (Matio 28, 1 ; Marka 16, 2 ; Lioka 24, 1 ; Joany 20, 1) : « Tamin'ny alin'ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana Maria Madelena sy ilay Maria anankiray. »
 
Afaka esorintsika araka izany ireo andro enina ambiny ao anatin’ny herinandro fa efa voamarina fa ny andro Zoma no izy.
 
5.Zoma an’ny Paka Jody
Araka ny Evanjely ihany dia nifanaraka tamin’ny fotoanan’ny Paka Jody no namantsihina an’i Jesoa. (Matio 26, 1 - 2 ; Marka 14, 1 ; Lioka 22, 1 ; Joany 18, 39) : « Ary rahefa tapi-niteny izany rehetra izany Jesoa, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia tonga ny Paka, ary ny Zanak'olona hatolotra hofantsihana amin'ny hazo fijaliana. »
 
Eto dia misy amintsika no mety hahita olana satria I Matio, I Marka sy I Lioka dia samy milaza fa ny alakamisy niarahana nisakafo no nankalazan’I Jesoa sy ny mpianany ny Paka: “ Dia hoy Jesoa taminy: Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan'androko, ka hanao ny Paka ato aminareo aho sy ny mpianatro. 19Nanao araka izay nasain'i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. » (Matio 26, 18 – 19 ; Marka 14, 14 ; Lioka 22, 15).
Izany hoe raha ny alakamisy izy ireo no nanao ny fankalazana ny Paka (Paka Jody) dia tsy mitombona indray ve izany hoy ny sasany lay hoe ny Zoma no hanombohan’ny Jody ny Pakany (ny fihinana, fanomanana sakafo ho amin’io andro io sy ny andro sabata).
 
>Ny Paka Jody izay ampatsiahivina fa fahatsiarovana ny fanafahan’I Moizy ny vahoakan’Israely tamin’ny Ejipta.
 
Saingy, i Joany dia manambara hoe: “Dia nentiny niala tao amin'i Kaifa Jesoa, ho any an-tranon'ny governora. Efa maraina ny andro tamin'izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka. Koa Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo ala-trano, nanao hoe: Inona no iampanganareo io Lehilahy io?” Joany 18, 28. 
Izany dia mampiseho fa ny Paka Jody dia tena ny Zoma tokoa no manomboka ny fankalazana azy. I Jesoa sy ny mpianany anefa dia ny Alakamisy no nankalaza azy. Izany dia nanome heviny vaovao izay sady mifanaraka kokoa amin'ilay tena Paka, izay midika hoe fiampitana, izay nialohavan'ny fery faha folo sy ny famonoana ny zanak'ondry nangataka ny rany naosotra ny varavarana ho mari-pamonjena: «Dia hoy Jesoa taminy: Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan'androko, ka hanao ny Paka ato aminareo aho sy ny mpianatro. 19Nanao araka izay nasain'i Jesoa nataony ny mpianatra ka namboatra ny Paka. » Matio 26, 18 – 19.
 
Ampatsiahivina eto ihany koa fa io andro alakamisy io no namoronan’I Jesoa ny Eokaristia. 
 
Araka ireo fepetra voafaritra hatreto ireo dia ireto avy ireo daty notsongaina fa mifaaraka manokana amin’ny fotoanan’ny Paka Jody tao anatin’ny A.D 29 hatramin’ny A.D 36 : 
Alatsinainy 18 Aprily, J.D 29
Zoma 7 Aprily, J.D. 30
Talata 27 Martsa, A.D 31
Alatsinainy 14 Aprily, A.D. 32
Zoma 3 Aprily, J.D. 33
Alarobia 24 Martsa, A.D. 34
Talata 12 Aprily, J.D. 35
Sabotsy 31 Martsa, J.D. 36
 
Araka ny hitantsika dia daty anankiroa amin’ireo ihany no azo heverina fa ho izy. Ianareo ihany dia efa afaka mahalala hoe iza avy izany.
 
6.Ireo fotoana telo lehibe araka an’I Md Joany
Ny Evanjelin’I Md Joany dia manonona manokana fotoana lehibe telo tsara marihina eto momba ny ministeran’I Jesoa manoloana ity fikarohana ity. Ireto avy izany:
 
PAKA 1: Tany amin’ny fiandohan’ny ministeran’I Jesoa
“Ary akaiky ny Pakan'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa. 14Hitany tao anatin'ny tempoly ny mpivarotra omby aman'ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao.” Joany 2, 13
 
PAKA 2 : teny antenatenan’ny ministeran’i Jesoa
« Nony afaka izany dia lasa nankany an-dafin'ny ranomasin'i Galilea, na ny farihin'i Tiberiady Jesoa, 2ary vahoaka be no nanaraka azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin'ny marary. 3Dia niakatra tany an-tendrombohitra Jesoa, ka nipetraka teo izy mbamin'ny mpianany. 4Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin'ny Jody. » Joany 6, 1 – 4
 
PAKA 3 : Tany amin’ny fotoana namarana ny ministeran’i Jesoa
« Efa akaiky ny Pakan'ny Jody tamin'izay ka maro ny olona avy tamin'izany tany izany no niakatra tany Jerosalema alohan'ny Paka, mba handio tena. 56Dia nitady an'i Jesoa izy ireo ka nifampilaza tao anatin'ny tempoly hoe: Ahoana no hevitrareo, dia tsy ho avy hamonjy ny fety ve izy? 57Ny lehiben'ny mpisorona sy ny Farisiana tamin'izany efa nandidy fa izay mahita ny itoerany dia tsy maintsy milaza, mba hisamborana azy. » Joany 11, 55 - 57
 
Ireo rehetra ireo dia afaka manamarina fa ny ministeran’i Jesoa dia naharitra mihoatra ny roa taona fara fahakeliny. Ny fikarohana nataon’ireo mpandalina manokana ihany koa dia milaza fa telo taona sy tapany marimarina kokoa no naharetany. 
 
Azo lazaina araka izany fa ny Zoma 3 aprily A.D 33 no azo antoka ho izy. 
 
7.Ny ora fahasivy
Miainga avy amin’ny Evanjelin’i Md Matio, Md Marka sy i Md Lioka hatrany isika dia mahita fa samy mitovy ny nolazain’izy ireo momba ny ora nahafatesany, dia ny « ora fahasivy ». 
 
«Ary tamin'ny sivy, dia niantso mafy Jesoa nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany? izany hoe: Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nilaozanao aho? 35Nony nandre izany ny sasany tamin'izay teo, dia nanao hoe: Indro miantso an'i Elia izy. 36Dia nihazakazaka ny anankiray tamin'izy ireo, novontosany vinaingitra ny sponjy sy notohiziny volotara, dia natohony azy hotsentsefiny, ka hoy izy: Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka azy Elia! 37Fa niantso mafy Jesoa, dia niala aina. » (Matio 27, 47 – 50 ; Marka 15: 34-37 ; Lioka 23: 44-46)
 
Io « ora fahasivy » tamin’izany io no ataontsika hoe amin’ny telo ora hariva ankehitriny.
 
Izany fikarohana sy fanadihadiana rehetra izany ary no hahafahantsika milaza mazava ny fotoana nahafatesan’I Jesoa, dia ny Zoma 3 Aprily, A.D 33 tamin’ny 3 ora izany.
 
Marihina fa betsaka amin’ireo zay voalaza no mbola azo hahitana antsipiriany hafa sy lavitra kokoa ary lalindalina kokoa raha hitarina, nefa inoana fa nahavaly ny lohatenin’ny fanadihadiana ity lahatsoratra ity.
 
Mirary antsika rehetra hifantoka am-pahamasinana amin’ny fankalazana ny Zoma Masina sy ny Paka dia samia ho tahian’Andriamanitra.
 
Nadika avy amin'ny lahatsoratr'i Jimmy Akin, National Catholic Register, USA.
 
Nandika teny: Ramarozatovo Tatamo Olive
Votoatin-kevitra nohatsaraina sy nahitsin'i R.P Narindra Rakotoarimanana, SJ.
 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0868 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org