Fanolorana ny andro (iombonana)

Nampiditra : aiinah
Daty : 21/11/2012

Ry Andriamanitra Ray be fitiavana ô, atolotro Anao ao am-pon'i Jesoa Zanakao, miaraka amin'ny an'ny olombelona rehetra, entanin'ny Fanahy Masina, omban'ny Fo Madion'i Maria, ao amin'ny Fiangonana: ny fivavahako, ny asako, ny hafaliako sy ny fijaliako rehetra anio; ho fanonerana ny fahotako sy ho fangatahana ny zavatra rehetra; anoloran'i Jesoa ny tenany eo ambony Vatomasina, ary ny hanolorako azy indrindra amin'ity volana ity, dia mba ..... (+ Vavaka fangatahana mandritry ny volana)

Hevitra

Lovatiana16 - 19/03/2015 04:53
Miarahaba Tompoko

Mba miangavy raha azo hatao,
Mba andefasana vavaka isaky ny maraina ho amin'ny fitahin'Andriamanitra isanandro amin'ity adiressy mailaka ity

lovatiana.focus-at-blueline.mg

Misaotra indrindra tompoko

RAMANANDRAIBE Lovatiana
Valio Lovatiana16

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0557 s.] - Hanohana anay