Te hizara amintsika, boky kely hoe: Volan'ny Fo Masin'i Jesoa aho:
Editions Antanimena 2006.
Isaorana be dia be i Bii nanome izany ho antsika.
Indro àry ny teny fampidirana amin'izany boky izany :
VOLAN’NY FO MASIN’I JESOA
ANDRO MIALOHA - SASIN-TENY
Tapitra ity ny volana natokana ho an’i Masina Maria, ary miantomboka kosa ny volan’ny Fo Masin’I Jesoa. Koa amin’izany Masina Maria no mpitari-dàlana antsika hankany amin’i Jesoa. Moa tsy Masina Maria va no ilay kintana fitarik’andro? Iza moa no mahay miteny amin’I Jesoa tahaka an’I Masina Maria? Ka anjaran’izany Reny be fitiavana izany indrindra ny mampiditra antsika amin’ny Fo Masin’I Jesoa. Sady manafatra antsika Masina Maria mamerina ilay teny nataony tamin’ny fampakaram-bady tany Kanà hoe: Ataovy izay rehetra holazainy aminareo (Jo.2,5).
Ary ny fanajana ny Fo Masin’I Jesoa, dia ny tenan’Izy Tompo ihany no manambara azy tamintsika. Efa ho telonjato taona latsaka izao, dia nisy relijiozy anankiray, atao hoe: Marguerite Marie Alacoque, (izay natsangan’ny Eglizy ho anisan’ny olomasina) nofidin’Andriamanitra mba hampafantatra sy hampandroso ny fomba fanajana ny Fo Masin’I Jesoa. Lehibe sy sarotra indrindra izany raharaha izany, fa loza loatra ny nanoheran’ny olona azy, nefa vehivavy, malemy sy tsy manam-pahazaina loatra no voatendrin’Andriamanitra hanatanteraka azy! Fai zany moa no fanaon’Andriamanitra, araka ilay tenin’I Md Paoly hoe: Fa izay ataon’izao tonotlo izao ho adala no nofidin’Andriamanitra hampaha-menatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nifdian’Androamanitra hampaha-menatra ny mahery…, mba tsy hisy nofo hirehareha ao anatrehany (1Kor.1,27-29).
Ary tokony hanana toky lehibe indrindra isika amin’ireo teny rehetra avy amin’ny Fo Masin’I Jesoa ka nasainy ambaran’I Mb. Marguerite Marie tamintsika ireo: satria ny Eglizy masina katôlika, nony efa nandinika lalina ny toe-piainana sy ny toe-javatra rehetra momba azy, dia nanangana azy ho olomasina. Dia ireto ny fomba fanajana ny Fo Masin’I Jesoa nasainy nambaran’I Mb Margeurite Marie amin’ny olombelona.
1. Faly dia faly tokoa Aho raha hajaina amin’ny endriky ny fo nofoko. Ary betsaka ny fahasoavana hirotsaka amin’ny trano na toerana misy an’izany Fo Masina izany.
2. Manaova komonio isan-jomà voalohan’ny volana ianao…Isan’ny alin’ny alakamisy mifoha zomà, mifohaza ary mandohaliha manaova Rainay sy Arahaba ry Maria in-dimy, ho fahatsiarovana Ahy nivavaka niari-tory tao an-tanimbolin’I Oliva.
3. Izay manao komonio tsara in-tsivy zoma voalohan’ny volana mitohy tsy tapatapaka dia manome toky azy Aho fa ho voavonjy izy, amin’ny andro hahafatesany; ary hahazo ny Sakramenta farany ka tsy ho faty amin’ny fahotana. Ary hoy Marguerite Marie: Misy hevitra roa natoron’I Jesoa Kristy ahy mba ho entiko mamonjy, raharaha lehibe roa loha.
1) Ny manao komonio miombon-kevitra amin’I Masina Maria nandritra ny sivy volana nananany an’I Jesoa tao an-kibony, ka iray fiteny aminy hoe: Indro ny ankizivavin’ny Tompo
2) Ny mivavaka mangingina miray hevitra amin’I Masina Maria nanolo-tena tao an-tempoly.
Samia àry isika rehetra manao izay asa soa milaza ny fitiavana sy ny fanajantsika ny Fo Masin’I Jesoa.Aoka àry tsy hohadinointsika fa ny fitiavana marina dia miseho amin’ny asa atao ho fankasitrahana an’Andriamanitra.
Ka ny fahasoavan’ny Fo Masin’I Jesoa anie hamelona izany fitiavana marina izany mandrakariva ao am-pontsika.
I ANDRO VOALOHANY
NY FOMBA SY NY ANTONY IVAVAHANTSIKA AMIN’NY FO MASIN’I JESOA
Ny fanajana sy ny fivavahana amin’ FO MASIN’I JESOA, dia zavatra ankasitrahan’Andriamanitra indrindra. Ka mety dia mety raha dinihantsika ny antony ny sy fombany. Inoan’ny be sy ny maro fa ny fo, hono, no fitoerana sy fiposahan’ny fitiavana.Koa noho izany, ny FO MASIN’I JESOA Andriamanitre no itoeran’izany fitiavany antsika tsy hita lany. Avy amin’ izany no nihavian’ireto fiteny ireto hoe: “ Ny Fon’I Jesoa no fatra-piahy antsika: ny Fon’I Jesoa no be alahelo; ny FO MASIN’I JESOA no nivesatra mandrakariva ny hazo fijaliana, ets.
Koa amin’ izany, raha mivavaka amin’ny FON’I JESOA isika, dia zavatra roa mikambana no ivavahantsika: ny Fo nofon’I JESOA-KRISTY sy ny fitiavany tsy azo oharina. Ny masoandro no azontsika alaina ho ohatra ny amin’izany. Ny tenan’ny masoandr no ampitahaina amin’n Fo nofon’I Jesoa. Ny tenan’ny masoandro sy ny fahazavana aterany, dia zavatra roa tsy mety misaraka ka samy mamintsika izy roa; ny fahazavana anefa no ataontiska ho mahasoa antsika kokoa. Torak’izany koa, ny Fo nofon’I Jesoa sy ny fitiavana monina ao aminy dia zavatra roa mikambana samy mendrika ivavahantsika , tsy misy hafa amin’ny tenan’I JESOA-KRISTY ihany izy, Kanefa na dia izany aza, ny fitiavana no ataontsika ho tsara kokoa, dia ilay fitiavana nitondra Azy hahafoy ny tenany ho fanavotana antsika sy hamorana ny Sakramentan’ny Eokaristia. Ary telo loha ny antony ivavahantsika amin’ny FO MASIN’I JESOA.
1. Mba hamaly fitiavana Azy, hisaotra Azy noho ny zava-tsoa tsy tambo isaina azontsika isan’andro ay amin’ny Fony feno fitiavana.
2. Mba hampody haja Azy noho ny fanaratsian’ny olona Azy. Betsaka no mahalala Azy, nefa manoso-dratsy Azy amin’ny fahotana mahafaty ataony isan’andro. Ary manafaka alahelo ny Fony Masina isika, raha mamonjy lamesa sy manao komonio tsara ary mamangivangy Azy ao amin’ny Sakramenta Masin’ny otely.
3. Ny antony ivavahantsika amin’ny Fo Masin’I Jesoa dia ny mba hahazoantsika ny hatsaram-panahiny. Koa ireo tenin’I Mb MARGUERITE MARIE no mampiharihary izany. Hoy Mb MARGUERITE MARIE: “Raha niseho tamiko JESOA-KRISTY, dia hitako Izy toy ny nipetraka teo ambonin’ny afo miredareda. Nanelanelatra sy namirapiratra toy ny masoandro ny tenany. Niharihary tsara ny ratra nataon’ny lefona teo amin’ny lanivoany. Nisy fehiloha tsilo nanodidina ny Fony Masina, ary hazo fijalina no nitsatoka teo amboniny. Ka nambaran’I Jesoa –Kristy ahy ny hevitr’izany rehetra izany. Koa ireo zavatra nentin’ny Jody nampijaly Azy ireo, dia milaza fa ny anton’izany fijalina tsy roa aman—tany izany noleferiny izany, dia noho ny fitiavana tsy hita lany nitiavany ny olombelona. Ary nambaran’I Jesoa-Kristy ahy koa fa hatramin’Izy mbola tao an-kibon-dreniny, dia efa nahalala sahady ny fijalina rehetra hihatra amin’ny tenany, ka toa tafatsatoka sahady tao amin’ny Fony Masina ny hazo fijaliana.
“Ary tsy izany ihany: fa hatramin’ny voalohany indrindra Izy no nanaiky handefitra ny fijaliana sy fahafaham-baraka rehetra hanjo Azy amin’ny andro hiainany ety ambonin’ny tany, ary hiaritra ny fanebahana sy ny fametavetana rehetra hataon’nyolona Azy ao amin’ny Sakramentan’ny Eokaristia ambara-pahatapitr’izao tontolo izao, noho ny fitiavany ny olombelona.”
Enga anie ka ireo dinidinika sy ireo tenin’I Mb MARGUERITE MARIE ireo hampihetsika mafy ao am-pontsika ny fikasana hanaja sy hamaly fitiavana ny Fo Masin’I Jesoa.
II . ANDRO FAHAROA
NY AMIN’NY NIANDOHANA SY NY NIELEZAN’NY FIVAVAHANA AMIN’NY FO MASIN’IJESOA
Ny teny vazaha hoe: “dévotion” (zotom-po) amin’ny FO MASIN’I JESOA no enti-milaza ny fanajana ny FO MASIN’I JESOA sy ny fivavahana aminy. Ary efa ela dia ela no niandohan’izany fahazotoana hanaja sy hivavaka amin’ny FO MASIN’I JESOA izany, fa tsy vao haingana tsy akory.
Tany Bethlehema, tao an-tranon’omby nahaterahan’I Jesoa, dia “indreto sahady Maria sy Josefa talanjona tamin’ny fandinihany ny haben’ny fitiavan’I Jesoa antsika, ka nitsaoka sy nidera ny Fo nofon’I Jesoa itoeran’izany fitiavana izany, dia ilay FON’I JESOA notrebonin’ny lefona teo an-tampon’ny Kalvery, ka niseho ho toy ny lavaka tokony hidirantsika rehetra hahitantsika ny fialofana mahatoky Izy. Ary nony afaka teo amin’ny hazo fijalina ny vatan’I Jesoa-Kristy, fanajana manao ahoana no nentin’I Masina Maria nanasa ny fery nahavoa izany vatana masina indrindra izany,indrindra ange ilay fery ntataon’ny lefona tamin’ny Fony!
Ny Apôstôly hatramin’ny niandohan’ny Eglizy ary ny Dokoteran’ny Eglizy taty aoriana kely, samy nankalaza ny fitiavan’ny FO MASIN’I JESOA antsika sy nampirisika ny olona hivavaka amin’izany Fo Masina izany. Ary efa telon-jato taona latsaka kely izay, dia indro fa I JESOA-KRISTY ihany no nanainga an’I Mb MARGUERITE MARIE hampirisika sy hampandroso ny zotom-pon’ny kristianina hanaja ny FO MASIN’I JESOA sy hivavaka aminy. Koa ankehitriny izao, na dia be azan y fanoherana sy ny sampona samihafa nitranga, dia manerana ny tany rehetra izany “dévotion” amin’ny FO MASIN’I JESOA izany.
Misy angamba hiteny ka hanao hoe: “Fomba vaovao ny fanokanana volana iray manontolo sy ny zomà voalohany isam-bolana ho fanajana ny FO MASIN’I JESOA. Fomba vaovao ihany koa ireny sarin’ny FO MASIN’I JESOA ireny”.
Tsia, tsy fomba vaovao ireo; fa hatramin’ ny niandohan’ny Eglizy dia efa nisy sahdy ny fanajana sy ny fivavahana amin’ny FO MASIN’I JESOA, araka ny dinidinika nataontsika.
Ny amin’ fanokanana ny zoma voalohan’ny volana , dia ny tenan’I Jesoa-Kritsy ihany no nangataka izany. Ary ny amin’ny fomba sasany fanajana ny Fo Masin’I Jesoa, sady zavatra noforonin’ny olombelona tokoa izy ireo , ka azon’ny lehiben’ny Eglizy ovàna, araka ny toetra sy ny
fomban’ny olona ihany. Ohatra fa inty lehilahy anankiray manana lamba sy akanjo betsaka, ka miova fitafiana isan’andro izy. Koa moa tsy mitafy va izany lehilahy izany? Eny, mitafy ihany izy, na dia miova fitafiana isan’andro aza izy.
Toraka izany koa ny amin’ny “dévotion” amin’ FO MASIN’I JESOA sy ny fomba fanajana Azy. Ilay FON’I JESOA iharan’ny “dévotion”-tsika tsy mety miova, fa ny fomba isehoan’izany “dévotion”izany eo ivelany dia mety miova ihany. Sady hitantsika mazava amin’ izany koa fa amin’ fivavahana katolika dia misy ny tena izy ary misy koa ny miseho eo ivelany fotsiny.
Ny didin’ Andriamanitre sy ny Sakramenta dia tsy mety miova; fa ny miseho eo ivelany kosa, izany hoe: ny fomba sasany tsy naorin’I JESOA-KRISTY, toy ny zavatra entiny mivavaka; sy ny hira, sy ny teny fivavahana, ary ny firavaka, ets, ireo dia azo ovàna ihany, araka ny tenin’ny lehibe. Ny antony isian’ireo fomba maro ireo, dia ny mba hampirisika sy hanmpy ny kristianina hivavaka tsara.
Koa tokony hifaly isika rehetra fa ny Lehibe, mpitari-dàlana antsika dia ny Papa sy ny Eveka voatendriny. Koa amin’izany, raha fantatsika fa nankatoavin’ny lehobe ny fomba sasany fanao amin’ fivavahana, dia matokia isika fa nankatoavin’I JESOA-KRISTY koa izany.
III.ANDRO FAHATELO
NY ZOTOM-PONTSIKA HANAJA NY FO NOFON’I JESOA SY HIVAVAKA AMINY DIA ZAVATRA ANKASITRAHAN’I JESOA INDRINDRA
JESOA-KRISTY no Fahendrena tsy anoharana ka izy no mangataka amintsika rehetra hoe: “Anaka, omeo ahy ny fonao”. Ary ny hevitr’izany teny fangatahana izany dia izao: Anaka, tiavo Aho, ka valio fitiavana. Efa nomeko anao ny Foko. Ary izany fanomezako ny foko ho anao izany, dia milaza ny fahafoizako ho anao ny fitiavako sy ny tenako manontolo ary ny fananako rehetra. Koa mba omeo Ahy kosa ny fonao, anaka!
Ary moa tsy fantatsika amin’izany fa ankasitrahan’I Jesoa-Kristy tokoa ny fomba entin’ny Kristianina manaja ny FO MASIN’I JESOA; satria famaliam-pitiavana Azy izany.
Indray andro, ilay mbola nivavaka teo anatrehan’ny Sakramenta Masina iny i Mb Marguerite Marie, dia voatsindrin’ny herin’Andriamanitra izy. Variana tsy nahatsiaro tena intsony izy, sady nahafoy ny fanahiny ho entin’ny hery avy any ambony. Dia nasehon’i Jesoa-Kristy azy tamin’izany ny Fony, sady nambarany taminy ny soa mahagaga miafina ao anatiny. Ary na dia olona kaody sy saro-tahotra ihany MARGUERITE MARIE, nefa tsy nanana ahiahy izy tamin’izany, satria niharihary taminy ny soa lehibe azony tamin’izany fisehoana mahagaga izany. Ary niteny JESOA-KRISTY ka niteny taminy hoe: “Main’ny fitiavana ny olombelona loatra ny foko, ka tsy haiko tànana intsony izany afo mahamay izany. Ka hianao no asaiko hitondra izany afon’ny fitiavako izany amin’ny olombelona. Hianao no hampahalala azy ireo ny foko, mba hahazoany ny fahasoavana hitarika azy hiala amin’ny fahaverezana. Hianao ilay tsinontsinona sy fohy saina nofidiko hanatanteraka izany raharaha lehibe izany, mba hahafantaran’ny olona rehetra fa ny tenako Izaho ihany no nahavita azy.”
Indray andro hafa koa, tamin’ny taona 1675 nivavaka teo anatrehan’ny Sakramenta Masina Mb MARGUERITE MARIE, dia niseho taminy indray JESOA-KRISTY. Nasehony taminy ny Fony sady hoy izy taminy : “Jereo ange ity Fo! Fatra-pitia ny olombelona loatra izy ka tsy mahay mitsitsi tena . Fa nahafoy ny ainy Izy mba hampiseho ny fitiavany azy rehetra. Kanefa indrisy! Tsy fankasitrahana, fanamavaona, fanesoana, sakrilezy, fangatsiaham_po no entin’ny olona mamaly izany fitiavako azy izany! Ary ny tampon-dohan’ny alaheloko dia izao: Misy fo sasany efa nanokan-tena tamiko, kanefa manaratsy Ahy!
“Koa izao no angatahiko aminao: Aoka ny zoma manaraka ny alakamisy herin’ny fetin’ny Sakramenta Masina mba hatokana ho andro fety fanajana ny Foko sy hanaovana komonio ary hanovana fampodian-kaja; fa izany no hanala ny fanaratsiana iaretan’ny Foko eo ambonin’ny otely. Ary toky kosa no omeko anao, fa hisokatra be ny Foko handrotsaka fahasoavana ao amin’ny fanahin’izay hanaja ny Foko toy izany sy hitarika ny namany hanaja azy koa”.
Dia nitombo fitiavana ny FO MASIN’I JESOA niaraka tamin’izay Mb MARGUERITE MARIE, sady velom-paniriana sy fikelezana aina mafy mba hampirehitra an’izany fitiavana masina izany ao ampon’ny olona rehetra. Ka fo miemponempona no entiny milaza hoe: “Milaza marina aho, far aha fantatry ny olona tokoa fa mamy sy tian’I Jesoa indrindra ny fanajana ny Fony Masina, ataoko fa tsy hisy kristianina na dia iray aza tsy hampiseho ny zotom-pony amin’ny fanajana ny FO MASIN’I JESOA.”
Be dia be tokoa ny soa azontsika tamin’I Jesoa, ary tsy tapaka Izy isan’andro vaky mandrotsaka ny fahasoavany ao amintsika, dia aoka àry isika hiseho ho mahay mankasitraka, ka hazoto hanaja !azy sy hampody haja aminy sy hankato tsar any fomba fanaon’ny be sy ny maro ho fanajana Azy.
?
IV. ANDRO FAHAEFATRA
NY FON’I JESOA NO FOTOTRA IHAVIAN’NY FAHASOAVANA REHETRA
Raha niresaka tamin’I JESOA-KRISTY teo amoron’ny fantsakana ilay vehivavy samaritana, dia tsy nahalala Azy velively ho Zanak’Andriamanitra sy mpanome ny ranon’aina miboiboika ho an’ny fiainana mandrakizay; koa izany no antony tsy nangatahany izany rano izany taminy.
Fa niteny JESOA-KRISTY ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao mantsy ny fanomezan’Andriamanitra sy izay milaza aminao hoe: Mba omeo rano kely aho hosotroiko dia hianao indray aza no ho nangataka taminy homeny rano velona (Jo 4,10). Nampihiratra kely ny masom-panahin-dravehivavy izany teny izany, fa hoy izy tamin’ny Tompo: Omeo amin’izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony. Dia neken’I Jesoa ny fangatahan-dravehivay, fa tonga nino Azy izy sy ny samaritana maro.
Betsaka no tsy mahalala fa ny Fo Masin’I Jesoa no ilay fanomezana lehibe nomen’Andriamanitra ny olombelona. Koa ny olombelona rehetra no nanaovan’I Jesoa-Kristy hoe: “Raha fantatrareo manko ny Foko, dia hanantona Azy hianareo sy hangataka Aminy, ka hahazo zava-tsoa maro!”
Andeha ho dinihintsika kely, mba hahafantarantsika mazava fa ny FON’I JESOA tokoa no loharano miteraka ny fahasoavana rehetra. Moa tsy isika va no namoronan’ny Fanahy Masina ny FON’I JESOA tao an-kibon’i Maria Virjiny? Moa tsy isika ihany koa va no antony nampitempotempo ny Fony Masina, sy nivavahany ary nalahelovany? Iza moa fa tsy ny FON’I JESOA no nampanoratra ny Evanjely, sy namorona ny Sakramenta ary nanangana an’I Masina Maria ho renintsika, ary isika ho zanany.
Ny FON’I JESOA no nanome antsika ny famelan-keloka. Ny FON’I JESOA no nanome antsika ny vatany ho fihinana ary ny rany ho fisotro, mba hanamasina ny fanahintsika. Ny FON’I JESOA no mihazona Azy isan’andro aman’alina ao amin’ny Eokaristia Masina ambara-pahatapitr’izao tontolo izao, mba hankahery sy hanafaka alahelo antsika, ary hihavana amintsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ary hoy Mb MARGUERITE MARIE: “Tsy hita lany ny fahasoavana sy ny fitahiana avy amin’izany Fo ivavahana izany. Araka ny hevitro, toa ny dévotion amin’ny FO MASIN’I JESOA tokana no mampandroso haingankaingana kokoa ny olona ho amin’ny hatsaram-panahy ambony, sy mampanandrana azy ny hamamin’ny fanompoana an’Andriamanitra”.
Tena mifanaraka tsara loatra amin’ny filazan’ny Olomasina sy ny Mpampianatra malaza amin’ny Eglizy izany tenin’I Mb. Marguerite Marie izany. Betsaka ny fanoharana entiny midera sy mankalaza ny FON’I JESOA ho fototra ihavian’ny fahasoavana rehetra. Fa toy izao ny teny nosoratany: “Ny FON’I JESOA no rakitra tsy mety lany… loharano miboiboika ho amin’ny fiainana mandrakizay…aron’ny mpanota…masoandro manazava sy mampahavokatra ny fanahy…
Aoka àry isika hanatona ny Fo Masin’I Jesoa ao amin’ny Eokaristia. Ao no ahitantsika fiadanana hitomoeran’ny fanahintsika… fanafody hahasitrana ny aretim-panahintsika…hery sy vonjy hanoherantsika sy handresentsika ny alahelontsika…antoky ny fiainantsika mandrakizay.
Ary izany tokoa no efa voalazan’I Jesoa Kristy tamin’I Mb Marguerite Marie. Sendra avy nanao laretirety Mb Marguerite Marie tamin’izay sy nanao komonio, ka hoy Jesoa taminy: “Indro ny Foko misokatra mba hidiranao sy hitoeranao ao mandrakizay. Ao anatiny no ahatahirizanao madio tsara ilay akanjo mangatsakatsaka natafiko ny fanahinao.” Ary isika tsirairay avy no samy hamerenan’I Jesoa an’izany teny izany: “Indro ny foko misokatra mba hidiranaosy hitoeranao mandrakizay.Ao anatiny no ahatahirizanao , madio tsara ilay akanjo mangatsakatsaka natafiko anao tamin’ny batemy…tamin’ny konfesy…tamin’ny komonio. Aza miala ao anaka.”
V. ANDRO FAHADIMY
NY FO MASIN’I JESOA NO FOTOTRY NY FAHAFINARETANA ETO AMBONIN’NY TANYNy olombelona dia nataon’Andriamanitra mba ho sambatra. Koa tsy misy olona tsy mikatsaka ny mba ho finaritra; tsy misy tsy mangetaheta ny fahafinaretana. Kanefa tsy tambo isaina ny olona mirenireny foana, fa tsy mahita azy; satria mitady azy amin’izay tsy misy azy. Misy mitady ny fahafinaretana amin’ny fandikana ny didin’Andriamanitra hahazoam-bola be, fa ankininy amin’izany ny fahafinaretana. Nefa Jesoa –Kristy nilaza mazava hoe: Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra (Mat.5,5)
Misy ny sasany milozoka hahazo ny voninahitra, fa ankininy amin’izany ny fahafinaretana. Disoa hevitra indrindra izy ireo.
Adinony angaha ity tenin’I Jesoa mananatra azy ity hoe: Izay manandra-tena haetry, ary izay manetry tena hasandratra (Lk.14,2).
Maro dia maro kosa no manaram-batana amin’ny fahalotoana, ka mihosinkosina antin’ny fotaky ny fahalotoana: ka izany no heveriny ho fahafinaretana. Faha jamban-tsaina mampidi-doza loatra izany! Fa mananatra azy ireo mafy I Jesoa hoe:Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy (Mat.5,8)
Inona moa no mampimonjomonjo sy mahasosotra, ary mampitaraina be ihany ny mahantra, ny marary ary ny tra-pahoriana samihafa? Satria ankinin’izy ireo amin’ny fahafinaretan’ny nofo ny fahafinaretana marina. Fa raha mibanjina ny sarin’ny hazo fijaliana izy, ka mampandry ny sofim-pinonay, dia ho reny ihany ny feon’I Jesoa manao aminy hoe: Anaka, Izaho no lalana sy Izaho no fahamarinana, fiainana… Ary izay te-hanaraka Ahy, dia tsy maintsy hitondra ny hazo fijaliana isan’andro… Sambatra izay mitomany…Sambatra ny miaritra ny fanenjehana.
Koa inona àry no tokony hataontsika mba hahazoantsika izany fahafinaretana marina izany? Mba henoy kely ny feon’i Jesoa miantso hoe: Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho; dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo (Mat.11, 28-29)
Dia manatona haingana ny Fo Masin’I Jesoa isika, midira ary miomoera ao isika.
• Izy no fahazavana hahitantsika ny hafoanan’ny harena, sy ny voninahitr’izao tontolo izao, ary tsy ho may intsony ny fontiska hikatsaka ireo zavatra mora levona ireo.
• Ny Fon’i Jesoa no ahafantarantsika fa ny fahafinaretan’ny nofo dia mampiditra ny fahafatesana mandrakizay ao amintsika ka hampakahala sy hampanohitra antsika ny filan-dratsin’ny nofontsika. Ny Fon’i Jesoa no hampahafantatra antsika fa na inona na inona fahoriana dia anjaran’izay na zovy na zovy te-hanaraka an’i Jesoa-Kristy.
Ary na dia mijaly aza ny nofo, ny fanahy tsy mba ho reraka. Tsy izany ihany, fa hampianarin’ny Fo Masin’i Jesoa hanombana ny fijaliantsika isika, raha tia Azy tokoa isika ka tsy miala ao Aminy.
Na dia mafy aza ny fahoriana sy ny fijaliana samihafa nahazo an’i Mb Marguerite Marie , tao anatin’ny Fo Masin’i Jesoa no nahitany hafaliana lehibe mandrakariva. Hoy izy: Endrey! Mba mahasoa ahy loatra sy mamiko indrindra ny fanebahana ataon’ny olona ahy!...Ny soa tokony hirintsika indrindra dia ny fanarahana an’i Jesoa-Kristy mijaly…Ataoko ho anisan’ny andro lanilany foana ny andro tsy niaretako fijalina…
Ny Fo Masin’i Jesoa no paradisa sy fahafinaretana manafaka ahy amin’ny fitiavan-javatra rehetra.
Ry Jesoa Andriamanitra, Hianao ihany no namafy tsilo ny làlana mankany an-danitra, ary tsy avelanao ho finaritra izay manalavitra Anao. Indreto izahay ry Jesoa, avy manatona Anao, velom-pikasana mafy izahay hitoetra ao anatin’ny Fonao Masina; ka matoky izahay fa na inona na inona nanjo anay, dia ny Fonao Masina no hampionona sy hahafaly ny fonay.
VI. ANDRO FAHAENINA
FATRA-PITIA ANTSIKA NY FO MASIN’I JESOA
Ny amin’ny halehiben’ny fitiavan’ny FO MASIN’I JESOA antsika, dia aoka ihany! Fa tsy takatr’ohatra ary tsy hain’ny vava ho vetsovetsoina. Ny hany mba azo lazaina dia izao: Ny FO MASIN’I JESOA dia fon-drahalahy tia rahalahy; ny FO MASIN’I JESOA dia fon-dray aman-dreny tia zanaka.
I. Ny FO MASIN’I JESOA dia fon-tsakaiza , tia ny sakaizany tokoa. – Faly aoka izany ery izay manana lehibe mpifehy ety ambonin’ny tany ho sakaiza, ka mainka hafaliana manao ahona kosa ho antsika fa antsoin’”I Jesoa-Kristy ho sakaizany isika! Ianareo, hoy Izy, no sakaizako raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe: mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe, sakaiza ianareo (Jo 15, 14-15)
Ary aiza tokoa moa no ahitantsika sakaiza tsara indrindra tahaka azy? Izy irery no sakaiza mahatoky indrindra. Jesoa dia tsy mety diso, tsy mba mamitaka, ary tsy mandainga. Izy irery no tsy mahay mandao ny sakaizany na amin’ny fahoriana inona na amin’ny fahoriana inona. Ary mba hamantarana fa miorina amin’ny fitiavana lehibe indrindra izany fisakaizany amintsika izany, dia hoy izy: Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany (Jo 15, 13)
Aoka ho Anao ny fitiavanay rehetra ry Fon’i Jesoa ivavahana, Ianao no sakaiza tokana mahatoky sy ihazakazahana: malahelo ny fonay izao, fa maniasia manalavitra Anao izahay. Tsy hanao tahaka izay lasa izay intsony izahay. Ka mba tahio izahay, ry Jesoa sakaizan’ny Fonay.
II. Ny fon’I Jesoa dia fon-drahalahy tia ny rahalahiny tokoa.
Tokony ho mafy kokoa ny fifankatiavan’ny mpisakaiza. Ary isika dia natsangan’i Jesoa ho rahalahiny tokoa; fa hoy ny Soratra Masina: ary noho izany, dia tsy mahamenatra azy ny miantso hoe: Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho (Heb.2, 11-12)
Ary toy izany koa no tenin’i Jesoa tamin’I Maria Madelena: Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: “Hiakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, dia ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” (Jo. 20, 17).Ary sitrany sy teliny indrindra aza ny nananganany antsika ho mpiray lova aminy any an-danitra.
Koa izany fitiavan’ny FO MASIN’I JESOA nananganana antsika ho rahalahiny izany, dia fitiavana mahatalanjona raha eritreretina ny fahantrana sy ny haratsiantsika. Impiry isika no nanamavo Azy, sy nandika ny didiny ary namazivazy ny fahasoavany; fa Izy kosa tsy tapaka manao soa antsika.
Ry Jesoa, tariho izahay ho ao anatin’ny Fonao Masina, izay main’ny fitiavana anay: ary areheto ao anatinay ny afon’ny fitiavanay Anao mba ho mendrika hamaly fitiavan-drahalahy Anao izahay.
III. Ny fon’I Jesoa dia fon-dray aman-dreny tia zanaka tokoa.
Ny fahotan’i Adama no nanapaka ny fihavanantsika amin’Andriamanitra, ka voahozona ho very mandrakizay ny karazantsika olombelona. Fa JK no tonga nanavotra sy namonjy antsika, ary namerina tamin’ny fanahintsika ilay fahasoavana mahamasina izay nampihavana antsika amin’Andriamanitra. Koa, tena Ray aman-drenintsika tokoa JK. Fa henoy ange ny teniny ao amin’ny Soratra Masina: Inty Aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra Ahy. (Heb.15, 13)
Dia hitantsika sahady amin’izany, fa fitiavana iombonan’ny ray sy ny reny ho an’ny zanany, dia misy eo amin’ny FO MASIN’I JESOA; ka fitiavana manao ahoana! Atambaro ao anatin’ny fon-dreny anankiray ny fitiavan-dray aman-dreny rehetra ho an’ny zanany, dia tsy mahatakatra velively ny fitiavan’ny FO MASIN’I JESOA antsika.
Ry FO MASIN’I JESOA, sakaizanany sy rahalahinay ary ray aman-dreninay, Ianao no fototra ihavian’ity fitiavana masina, mba omeo anay ny fitiavana Anao! Maniry dia maniry ho tia Anao izahay, nefa tsy ho tanteraka ny fanirianay, raha tsy vonjenao izahay, ka mba ataovy mirehitra ny fitiavana Anao ny fonay mba hamaly ny fitiavanao izahay.
VII. ANDRO FAHAFITO
NY FITIAVAN’NY FO MASIN’I JESOA ANTSIKA LEHIBE INDRINDRA NO NITAONA AZY HANOME NY SAKRAMENTAN’ NY EOKARISTIA.
Ny antony nidinan’ny Zanak’Andriamanitra tety ambonin’ny tany, sy ny nangalany ny fombantsika olombelona, dia ny fitiavany antsika ihany. Ary ny antony namoronany ny Sakramentan’ny Eokaristia koa dia ny fitiavany antsika lehibe indrindra.
Koa inty fanoharana kely hampahalala antsika ny halehiben’izany fitiavana izany.
Hevero ity lehilahy anankiray be fitiavan’anaka tokoa. Tsy mitandro hasasarana isan’andro vaky mitady izay hahatomombana ny ivelomany sy ny fiadanany. Kanefa afenina tsara ny rakitry ny fianakaviany, fa tsy mbola tiany hangalarin’ireio zanany, fa any andro, any volana hikasany, hanehoana ny fitiavany azy lehibe indrindra.
Ary rehefa antomotra ny andro hialany amin’ity fiainana ity, dia asainy manatona azy ireto zanany mananatra azy sy mamela hafatra farany aminy izy. Ka dia aposany amin’izay sady atolony azy ilay rakitra sarobidy notahiriziny izay ela izay ho azy.
Torak’izany koa no nataon’i JESOA-KRISTY tamintsika. Indray andro talohan’ny nahafatesany, dia manao fanasana lehibe farany Izy hanaovany Paka miaraka amin’ny mpianany. Tena anatra feno fitiavana no nataony tamin’ny Apôstôliny. Ary nisy tamin’izay, hevi-pitiavana roa nampizara ny Fony. Naniry ny ho faty haingana Izy mba hihaonany amin’ny Rainy; nefa naniry koa Izy mba hiara-mipetraka amin’ny zanany, ka tsy hisaraka aminy na oviana na oviana. Ary noho Izy Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, dia samy notanterahiny ireo hevi-pitiavana roa ireo. Dia ho faty àry Izy; fa alohan’ny fahafatesany, dia hamorona ny Sakramentan’ny Eokaritsia Izy, mba hahazoany miara-monina amintsika hatramin’ny farany. Ka tontosa ilay teniny hoe:
Indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao. (Mat 28, 20); ary koa ny hoe: Tsy havelako ho kamboty ianareo (Jo. 14, 18).
Koa inona moa no nomen’I Jesoa antsika tamin’ny namoronany ny Eokaristia Masina ho antsika? Dia ny loharanon’ny fahasoavana. Fa ny vatan’i JESOA-KRISTY fihinantsika sy ny rany fisotrontsika no fototra ihanvian’ny fahasoavana rehetra. Fitiavana tsy manampaharoa tokoa izany!
Ary ny FO MASIN’I JESOA Andriamanitra ihany no nanana fitiavana tsy azo oharina toy izany.
Isaorana injato inarivo anie Ianao, ry FO MASIN’I JESOA, noho ny namoronanao ny Sakramentam-pitiavana, ka mampitoetra Anao andro aman’alina ety aminay, na dia fantatrao mialoha ihany fa betsaka ny olona tsy miraharaha Anao akory ao amin’ny Eokaristia, sy manoso-dratsy Anao, nefa izany rehetra izany tsy nahasakana ny fitiavanao anay. Mba lalina loatra izany misterin’ny fitiavanao anay izany. Ka ianareo, ry Anjely Masina, ampio izahay hino sy ho tia ary hanome voninahitra ny Sakramenta Masin’ny Eokaristia.
Ry Jesoa, ny fitiavanao anay no itoeranao ety aminay. Tiako hamaly fitiavana Anao aho, koa hazony ny foko hitoetra ao aminao, ry Jesoa.
?