Volan'ny Fo Masin'i Jesoa
2. Bii
(
28/06/2014 10:23)
VII.ANDRO FAHAVALO
NY FO MASIN’I JESOA AMIN’NY EOKARISTIA DIA BE FITIAVANA ANTSIKA TOKOA
Diniho fa ny nanaovan’i Jesoa-Kristy ny Eokaristia Masina, dia noho ny fitiavany antsika ihany. Ny itoerany andro aman’alina ao amin’izany Sakarameta Masina izany, dia mbola ny fitiavany antsika ihany koa. Ary ny anolorany antsoka zavatra sesehena, toy ny nataony fony Izy tety an-tany, dia mbola ny fitiavany antsika mandrakariva. Raha niasa mafy namonjy antsika izy, indrindra tamin’ny taona telo farany niainany tety an-tany, dia izao no tenin’ny Soratra Masina ny aminy: Nandeha nanao soa hatraiza hatraiza, nahasitrana izay rehetra azon’ny demony (Asa 10, 38). Ary raha ampahiratintsika tsara ny masom-panahitsika dia ho hitantsika fa ny Eokarista Masina indrinda no mapiseho izany fitiavana mahagaga izany satria ny Fo Masin’I Jesoa ao amin’ny Eokarista, sady manohy ny soa nataony fahiny no tsy tapaka manome tombony indrindra an’izany rehetra manatona azy amim-pitiavana.
Ny Fo Masin’i Jesoa ao amin’ny Eokaristia Masina no Ilay mpiandry ondry tsara miantso ny azy min’ny anarany avy, sy mamoaka azy (Jo 10,3). Ambenany tsara izy mba tsy ho lanin’ny amboadia. Ary sendra misy maniasia amin’ireo ondry ireo, dia malahelo izy ka lasa mitady azy. Ary rahefa hitany, dia ataony an-tsorony, ka entiny miverina ao amin’ny fisokon’ondry.
Ny Fon’I Jesoa ao amin’ny Eokaristia Masina no ilay mpanasitrana an’izay rehetra farofy ampijalian’ny demony. Izy no ilay Dokotera mahay efa mitondra ny fahalementsika sy ny fahoriantsika rehetra, afa-tsy ny fahotana. Efa naratra noho ny fahotantsika Izy, ary ny fahatorotoroany no nentiny hanasitrana antsika (Iza 53, 4). Koa na zovy na zovy maray ampanahy na voaratran’ny fahotana, dia aoka izy hanatona Azy, fa tsy maintsy hahazo ny fanafody hanasitranany ny aretiny. Ny Fon’i Jesoa ao amin’ny Eokaristia Masina no ilay sakaizan’ny mahantra sy ny mpanota. Tsy mba sakaiza manody, fa sakaiza azo itokiana indrindra. Koa izay mahazo azy, dia mahazo mihoatra ny rakitra saro-bidy indrindra. Mavesatra entana manko isika, fa ao ny fahotantsika, sy ny fahantrantsika, sy ny alahelo ary ny fahoriana maro mila hahareraka antsika. Aoka ho henointsika ny Fo Masin’I Jesoa tsy tapaka miantso hoe: Mankanesa aty Amiko ianareo izay mitondra fahoriana sy mavestra entana, fa hanamaivana anareo aho (Mat.9, 28).
Farany ny Fon’I Jesoa ao amin’ny Eokaristia Masina no tena ray aman-drenintsika tokoa.
Hoy ny Soratra Masina: Rain’ny famindram-po Izy ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra. (2Kor. 1, 3). Ary ny Fon’i Jesoa moa tsy manao amintsika tsiraray hoe: Moa ny reny mety manadino ny zanany minono va? Ary moa tsy hamindra fo amin’ny zanany naloaky ny kibony va izy? Fa raha sendra mety manadino ihany izy Izaho kosa tsy hanadino anao (Iza. 71, 15).Koa tena Ray aman-dreny mpiambina sy mpamahana ny fanahintsika tokoa izany Fo Masina izany ; ary izany hanina sy fisotro mahagaga izany dia ny vatany sy ny rany.
Ny mofo izay homeko, hoy izy, dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao … Izay mihinana ny mofoko sy misotro ny rako, no manana ny fiainana mandrakizay (Jo 6, 52-55).
Zavatra tsy maintsy mahavarianana ny Anjely ihany izao fitiavana anay izao, ry Jesoa Mpamonjinay! Nefa indreto izahay toa tsy miraika akory, fa mangatsika eo anatrehanao! Indrisy! Mbola kely ny finoanay, mba hitomboan’ny fitiavanay anao!
IX. ANDRO FAHASIVY
NY FANAJATSIKA AZY AO AMIN’NY EOKARISTIA MASINA NO ANGATAHAN’NY FO MASIN’NY JESOA INDRINDRA AMINTSIKA
Ny nahafadiranovana sy nahatsembo-dra an’I Jesoa-Kristy tao an-tanimbolin’i Oliva, dia ny fahitany rahateo an’ireo olona alinalina izay sady tsy hanaja no hanaratsy Azy ao amin’ny Sakrameta Masin’ny fitiavany. Izany koa no atony nampitaraina Azy fatratra tamin’I Mb. Marguerite Marie, raha nasehony taminy ny Fony Masina. Fa hoy Izy taminy: “Toy ny main’ny hetaheta Aho, ka naniry dia naniry ny hanajan’ny olona Ahy ao amin’ny Sakarameta Masina. Vitsy ihany anefa izay mitady hanala hetaheta Ahy, araka ny fanirian’ny Foko; fa tsy namaly fitiavana Ahy ny ankabiazany.”
Raha teraka tety ambonin’ny tany –Kristy, dia tranon’omby no nofidiany hahaterahana.
Nahantra sy nitondra fahoriana izy tamin’y androny rehetra. Fa hoy Izy: “Ny amboa haolo manan-davaka ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’olona tsy manana izay hampandriana noylohany” (Mat. 8, 20).
Fa raha nanao ny Eokaristia Masina kosa Izy dia nifidy trano malalaka sy voatemitra tsara sy hary fomba. Moa tsy ta-hampahafantarin’ I Jesoa amin’izany fa iriny indrindra ny hanajan’ny olona Azy ao amin’ny Sakarameta Masina? Azon’ny Eglizy mazava tsara izany fanirian’I Jesoa izany, ka notanterahiny. Koa sady nampiseho faniriana izy nandidy mba ho kanto sy madio ary ho voaravaka tsara ny trano leglizy misy sy Eokaristia Masina. Ka mba hanetsika ao am-pontsika ny fanajana lehibe an’I Jesoa-Kristy ao anatin’ny Eokaristia Masina no anton’ny jiro mirehitra andro aman’alina eo anatrehan’ny otely . Izany koa no anton’ny sarin’ny Anjely mandohalika sy ny lamba saro-bidy asarona ny tabernakla sy ny vininkazo samihafa karazana.
Ny mason’ny nofontsika tsy mahita, fa ny masom-pinoantsika, raha sokafantsika isaky ny miditra ny trano leglizy misy ny Sakarameta Masina dia hahita Anjely alinalina miankohoka manome voninahitra an’I Jeso-Kristy. Ary ny haja lehibe omen’ny Anjely an’I Jesoa ao anatin’ny Eokaristia Masina, dia tokony hitondra antsika hitombin-tsaina sy ho maotona raha mididtra ao an-trano leglizy.
Ary ny irin’iJesoa-Kristy sy ankasitrahany indrindra koa, dia ny midina ao am-pontsika amin’ny komonio masina ka ataony amitsika tsirairay ilay teny nataony fahiny tamin’ny Apôstôly hoe: Naniry dia naniry hiara mihinana ity Paka ity aminareo Aho, alohan’ny hijaliako (Lk. 22, 15). Koa raha maniry dia maniry ny hahasoa antsika toy izany Izy, aoka koa isika haniry dia haniry ny hohasoaviny. Tsy misy Olomasina tsy nangetaheta komonio. Koa henoy ange ity tenin’I Mb. Marguerite Marie,”Noho ny faniriako mafy lohatra ny komonio, dia hataoko fijaliana kely foana ny mandeha tsy mikiraro amin’ny làlan’afo fa tsy tahaka ny alahelo avy amin’ny tsy fandraisana izany soa mamy indrindra izany.”
Ary raha misy tsy afaka handray komonio matetika araka ny fanirian’ny fony, aoka izy hanao hanao komonio am-panahy ahay, fa toy ny mahasolo ny tena komonio izany fomba izany.
Farany ny zavatra irin’ny fo Masin’i Jesoa amintsika dia ny fampodia-kaja Aminy ao anatin’ny Eokaristia Masina. Indray andro sendra nampianatra ny Jody ny amin’ny Eokaristia Jesoa-Kristy. Tafintohina mafy ny Jody nandre hoe: Raha tsy mihinana ny mofoko sy tsy misotro ny rako; ka tezitra sy nanesoeso Azy ; nisy aza mpianany sasany nandao Azy. Dia nihataka narahin’ny Apôstôliny Jesoa. Ary nony tonga tany amin’ny toerana iray mangingina, dia hoy Izy tamin’ ireto Apôstômy hoe: Hianareo ko va mba te hiala? Taitra i Piera ka nisolo vava ny namany nanao hoe: Tompo ô, hankany amin’iza ary izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fianana mandrakizay (Jo. 6, 68-69).
Nanala alahelo ny fon’I Jesoa izany teny izany!...
Izany fanevatevana sy fanesoana an’i Jesoa-Kristy ao amin’ny Sakramenta Masina izany dia tsy mitsahatra. Ka malahelo mafy ny Fon’I Jesoa noho ny fanaratsian’ny olona Azy. Ka manopy maso feno alahelo antsika Izy manao hoe: Ianareo koa va hiray tetika amin’ireo mpaneso Ahy ireo?...- Ka dia tsy hampody haja Ahy? Aoka ny valintenintsika ho toy izao: “Tsia, Tompo, aleonay maty toy izay hiala Aminao ka hampalahelo Anao.Hankany amin’iza tokoa moa izahay: fa Ianao no ray aman-dreninay tianay indrindra. Koa eto anatreanao, ry Fo Masin’i Jesoa, dia manome toky Anao izahay zanakao, fa finoana sy fitiavana ary fanajana no ho entinay mivavaka Aminao ao anatin’ny Sakramenta Masina.
X.ANDRO FAHAFOLO
NY FITIAVAN’NY FO MASIN’I JESOA ANTSIKA NO NANOMEZANY AN’I MASINA MARIA HO RENINTSIKA
Raha ambony ihany dia faran’izay ambony indrindra ilay fitiavana nitondra ny Fo Masin’I Jesoa namorona ny Eokaristia s y ny nahafoizany ny tenany hofantsihana syho faty teo ambonin’ny hazo fijaliana: Ka toa feno hika tamin’izay ny fitiavan’I Jesoa antsika; nefa mbola tsy nahafa-po Azy ihany ny Eokaristia Masina sy ny fahafoizany ny ainy.
Nihantona teo ambonin’ny hazo fijaliana ka efa nadiva hiala aina Jesoa tamin’izay. Ary indro fa toa nanombin-tsaina farany Izy, nandinika izay tombom-pitiavana azony hatao indray tamin’ny olombelona. Ary nisy olona anankiray tiany mihoatra noho ny olona rehetra, dia Masina Maria, reny malalany indrindra. Ka raiki-pikasana Izay hahafoy ny reniny ho renintsika.
Ary Maria na dia vonton’alahelo tsy azo lazaina aza, dia tsy nisaraka tamin’ny Zanany nijaly, ka njjoro teo ambanin’ny hazo fijaliana. Dia nanopy maso azy Jesoa, ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, indro ny zanakao! Ka Joany, solontenan’ny olombelona rehetra no nantsoiny tamin’izay. Ary nitodika any’i Joany koa Izy, ka hoy Izy taminy: Indro ny Reninao ! Natsangan’I Jesoa tamin’izany teny izany ho renin’ny olombelona rehetra I Masina Maria. Koa tsy navelan’I Jesoa ho kamboty tokoa isika. Fa ny reny nomeny antsika, ilay reny nahitany masoandro ilay nohasoavina noho ny vehivavy rehetra.
Moa azontsika olombelona ho saintsainina va izany fitiavana nitaona an’iJesoa hanome ny reniny ho renintsika izany? Koa fisaorana manao ahoana no tokony hatolotsika amin’ny Fo Masin’I Jesoa!
Indro ny Reninao! - Dia renin’I Jesoa foiny ho antsika tamin’ny izy efa hiala aina teo ambonin’ny hazo fijaliana; ka tsangambaton’ny fitiavany antsika lehibe indrindra.
Indro ny Reninao! – Reny tsy misy tahaka azy.
Reny be fitiavana, be indra fo, fatra-piamabina ny zanany ka tsy mety manadino izay naterany tamim-pahorian lehibe teo an-tapon’ny Kalvery!
Indro ny Reninao! – Dia Reny nahazoantsika an’Jesoa-Kristy, loharanon’ny fahasoavana rehetra, sy naira-niasa taminy mba hanavotra ny olombelona rehetra.
Koa mifalia àry isika fa manan-dreny hifefena amin’ny fahoriana rehetra manjo. Tiavo ary hajaontsika Masina Maria, fa mahafaly ny Fo Masin’I Jesoa indrindra izany. Ary tsarovintsika fa toy ny efa voahozon’I Jesoa-Kristy ka niaran-doza mahatsiravina na zovy na zovy sahy nametaveta azy sy nanamavo ny fanajan’ny be sy ny maro azy.
Ry Maria, reny malalanay, mbola tsy ampy fitiavana sy fanajana anao izahay. Ka mba aoreno sy ampitomboy ao amp-onay izany fanajana sy fitiavana marina izany!
XI. ANDRO FAHARAIKA AMBIN’NY FOLO
NY ANGATAHAN’NY FO MASIN’I JESOA AMINTSIKA DIA NY FAHAIZANA MANKASITRAKA
Indray andro nifanena tamin’ny boka folo lahy I Jesoa: “Tompo ô, hoy izy ireo; nitaraina mafy, mamindra fo aminay!” Nangoraka ny Fon’I Jesoa, ka namindrany fo izy ireo fa nilazany hoe : “Mandehana miseho amin’ny mpisorona.” Dia nandeha izy ireo, ka sitrana teny an-dàlana. Ary ny anankiray raha nahita ny tenany sitrana soa aman-tsara, dia niverina niankohoka teo an-tongotr’I Jesoa nankalaza sy nidera Azy. Faly sady nalahelo Jesoa no nanao hoe: Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? (Lk. 11, 12-17). – Ary izany fitarainana noho ny tsy fahaizan’ny olombelona mankasitraka ny soa ataony aminy izany dia mbola averin’ny Fo Masin’I Jesoa matetika ihany.
Indray andro, nivavaka teo anatrehan’ny Sakarameta Masina voasandratra Mb. Marguerite Marie. Ary tampotampoka indro fa nitombina daholo ny heviny sy ny faniriny ary ny fandreseny rehetra. Dia niseho taminy Jesoa-Kristy notronin’ny voninahitra mamirapiratra. Ny fery diminy nanelatrelatra hoatra ny masoandro.
Ny tenany dia nivoahan’ny lelafo maro, indrindra ny tratrany izay niseho ho toy ny afo milelalela.
Dia nosokafan’I Jesoa-Kristy ny tratrany, ka nasehony tamin’I Mb. Marguerite Marie ny Fony, izay fototra nivohan’ireo lelafo betsaka ireo.
Niteny Jesoa ka nanao hoe: “Ny tsy fahaizan’ny olona mankasitraka ny soa ataoko aminy sy ny famaliany ratsy Ahy, dia mampahory Ahy lavitra fa tsy tahaka ny fijaliana niaretako: Ary raha mahay mamaly fitiavana Ahy kosa ny olombelona, dia hoheveriko ho tsinontsinona izay rehetra nataoko hahasoa azy, noho ny fitiavako azy. Fa fo mangatsiaka sy feno fanaratsiana Ahy no entiny mamaly ny faniriako hanasoa azy! Fa ianao kosa, mba manalà alahelo Ahy, ka ny tsy famaliam-pitiavana ataon’ny olona Ahy, dia mba onero amin’ny asa tsara, araka izay taratry ny ainao”
Fahiny koa dia nisento mafy Jesoa, raha nahita ny fahidiran’I Jodasy tsy nety nandray ny fahasoavan’Andriamanitra, ka nanao hoe: Ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminanay sy mitora-bato izay nirahina ho aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao, toy ny anangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambani’ny elany, fa tsy nety ianao! (Mt. 23, 37).
Aoka àry isika mba tsy hanana fo vato. Hevero fa ny biby aza dia mahay manakasitraka ny soa atao aminy. Ny omby, hoy ny Soratra Masina, mahalala ny tompony, ary ny ampondra mahalala ny fihinanam-bilona avy amin’ny tompony, fa Israely tsy mahalala Ahy! (Is. 1, 3).
Aoka tsy ho minia jamba isika, ka mody tsy mahalala fa na inona na inona zava-tsoa ananantsika, dia ny Fo masin’I Jesoa no fototra ihaviany. Mazotoa àry isika manao izay tratry ny aintsika mba hamaly fitiavana ny fitiavan’ny Fo Masin’I Jesoa antsika. Mivavaha aminy isika amin’ny fo manetry tena, tia sy manaja. Mamangia Azy ao amin’ny Eokaristia Masina isika mba hanala alahelo Azy. Mangataha matetika isika amin’I Masina Maria sy ny anjely ary ny Olomasina mba ho ampianay amin’ny fitiavana ananan’izy ireo ny fitiavantsika matimaty be ihany. Ka aoka ho tanteraka amintsika tsirairay ireto tenin’ny Soratra Masina ireto hoe: Homeko fo vaovao ianareo, ka asiako fanahy vaovao ao anatinareo. Ary hoesoriko ny fo vato ao amin’ny fonareo, ka homeko fo nofo ianareo. (Ezek. 36, 26).
XII. ANDRO FAHAROA AMBIN’NY FOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO FANKATSIKA TAHAKA
Izay rehetra tia marina tiko an’I Jesoa-Kristy, dia tsy maintsy mianatra ny hatsaram-panahy sy maka tahaka Aminy; ary izay te-hanaraka Azy aho any an-danitra, dia tsy maintsy manara-dia ny làlany natorony. Fa toy izao no teny naloaky ny vavany: Izaho no làlana sy fahamarinana, ary fiainana; tsy misy olona makany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako (Jo 14, 6).
Izaho no làlana. – Ny Fon’I Jesoa no izany làlana izany. Làlana tokana sy mahatoky indrindra narahin’ny Olomasina rehetra: Làlana tsy maintsy, arahin’izay rehetra te-ho tonga any an-danitra. Làlana misy ny voninkazon’ny hatsaram-panahy rehetra.
Izaho no fahamarinana. – Ny Fon’I Jesoa no izany fahamarinana izany. Fa Izay no anton’ireto tenin’Davida mpaminanny ireto hoe: Ianao no efa tia ny fahamarinana ary halanao ny heloka. Ka noho izany, efa nanosotra anao tamin’ny soliky ny fitahiana mihoatra ny namanao Izy (Iza. 61, 5)
Izaho no fiainana. – Ny Fon’I Jesoa no izany fiainana izany. Ny teniny ao amin’ny Testamenta Vaovao no milaza mazava izany amintsika: fa hoy Izy: Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra aoamiko sy itoerako no mamoabe satria raha tsy izaho, dia tsy mahefa na inona na inona ianareo (Jo. 15). Dia nampian’I Jesoa Indray ireo teny ireo, ka hoy izy: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka Ahy tsy mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana (Jo. 8, 12).
Ireo àry ny teny nentin’I Jesoa-Kristy hampirisika antsika hianatra sy hanaraka ny toe-piainany. Iza tokoa moa, afa-tsy ny Fo Masin’I Jesoa no hampahafantatra antsika ny hatsaram-panahy rehetra? Eny! Ny Fon’I Jesoa-Kristy tokoa no fototra niposahan’izay hatsarana rehetra nandrosoany sy nitomboany teo imason’Andriamanitra sy ny olombelona. Koa mety dia mety ny hanaovantsika ho anton-draharaha lehibe ny mikely aina hianatra sy handinika ny toe-panahin’ny Fo Masin’I Jesoa. Sady aoka ho fantatsika fa ny fianarana sy ny fanarahantsika an’I Jesoa-Kristy no famantarana marina ny fitiavantsika Azy.
Ahoana sy ahona anefa izany fianarana sy fanarahantsika ny hatsaram-panahin’ny Fo Masin’I Jesoa izany?
1. Tokony hanana fo mahitsy sy feno faniriana hahazo ny fiainana mandrakizay isika, ary tsy hanan-javatra hafa tiana mihoatra noho Izy, ka hitondra izany fo izany amin’I Jesoa-Kristy ao anatin’ny Eokaristia Masina.
2. Mahasoa ny niheverantsika ny Fo Masin’I Jesoa ho toy ny tanimboly be voankazo mamy, ka izay tafiditra ao dia samy maka izay tiany avy
3. Tokony hivavaka matetika amin’ny Fo Masin’I Jesoa isika, mba hanazavany sy hankaherezany ny fontsika hahalalantsika sy hanarahantsika ny hatsaran’ny Fony Masina.
XIII. ANDRO FAHATELO AMBIN’NY FOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA HO BE FINOANA
Ny Kristianina atao hoe be finoana, dia izay mikendry hampifanaraka mandrakariva ny heviny sy ny teniny ary na asany amin’ny finoana marina ananany. Ka mahazo azy indrindra ilay tenin’I Md. Paoly hoe: Ho velona noho ny finoany ny olomarina (Rom. 1, 17). Ary misy marika sasantsasany mora ahafantarana ny kristianina be finoana.Saika tsy afaka ao an-tsain’ny olona be finoana ny fieritreretany sy ny fankatoavana ity nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama ity hoe: Mandehana eo anatrehako, ary aoka ho marina ianareo (Jen. 17, 1). Koa na aiza na aiza hanaovany fivavahana, dia toy ny eo anatrehan’Andriamanitra tokoa izy ka manombin-tsaina sy hevitra, araka izay tratry ny ainy. Raha miditra ao an-trano leglizy misy ny Eokaristia Masina izy dia ariany avokoa izay hevi-poana rehetra ka mihamaotom-pitondran-tena miarala amin’izay izy. Mandray rano voahasina amim-panajana izy, ary mandohalika mivavaka amin’ny fo ka manao izay ahitan’ny masom-panahy tokoa an’I Jesoa-Kristy ao amin’ny Sakrameta Masina.
Mamonjy lamesa matetika araka izay azony atao izy, ka fitandremana lehibe tokoa no entiny manatrika izany sorona masina izany. Ny finoana ihany koa no mampahita azy Anjely alinalina miondrika mitsaoka an’ilay Tompo Tsitoha; ary hitany Zanak’Ondrin’Andriamanitra manolotena indray ho fanavotana ny olombelona. Kanefa atahoran’ny olona be finoana ny toa mapideradera foana ny fitiavany vavaka eo anatrehan’ny olona, ka ataony izay isehoany ho toy ny ankabeazan’ny kristiainaina ihany.
Ary raha mikonfesy izy, dia ampahiratany amin’izay ny masom-pinoany hahitany fa ny Pretra mpampikonfesy no solontenan’I Jesoa-Kristy tokoa, ka ny famotsorana raisiny dia ataony toy ny ran’I Jesoa-Kristy mitete ao amin’ny fanahy hanafaka ny fahotany. Ary nony injay tonga ny fotoana hanaovany komonio, dia velona indrindra ny finoany toa jiro mirehitra manazava ny fanahiny, koa heverina fa mba ho anisan’ny Apôstôly nanatrika ny fanasana farany sy nandray ny tenan’I Jesoa-Kristy izy.
Ny Kristianina be finoana dia mandositra ny fahotana sy ny zavatra rehetra mitarika aminy ; satria fantany ny haratsian’ny fahotana. Ary raha misy fahoriana manjo azy, dia tsy mba mety reraka izy; fa Jesoa-Kristy no andradraina sy iankinany. Ampahatsiarovan’ny finoana marina azy fa ny fahoriana na anjaran’izay rehetra te-hanaraka an’I Jesoa-Kristy ety an-tany mba ho tonga any an-danitra. Ary tsy ny vavany ihany fa ny fony indrindra no entiny mivavaka hoe “Ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”. Ary ny amin’ny izao tontolo izao sy ny fombany, dia mbola ny finoana ihany no mampahafantatra azy ny hafoanany sy ny hatsinontsinony: ka tsaraoany ity tenin’Md. Paoly ity hoe: Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, ary ny fitiavan’ny fanahy kosa, dia fiainana mandrakizay (Rom 8, 6).
Koa sambatra dia sambatra loatra izay mahay mampiasa ny finoany toy ny fanilo manazava ny sainy sy ny fanahiny.
Na inona na inona zavatra mznjo azy, dia miova ho soa sy manjary hafaliana lehibe ho azy aza indraindray. Vavolombelon’izany ity tantara kely mahonena ity:
Raha tonga tany Lisbonne, renivohitr’I Portugal, ny vaovao lehibe nilaza an’ Jean de Britto maty maritiry tany India, dia sady tsy nalahelo akory havany sy ny sakaizany, no vao mainka azon’ny hafaliana lehibe. Ary mahagaga fa ny olona nentanin-kafaliana lehibe indrindra tamin’izay, dia ny renin’I Jean de Britto. Nampanomana fihinanam-be izy ka nanasa any fianakaviana rehetra.
Ary hoy ny teniny tamin’izy rehetra: “Mifalia dia mifalia isika rehetra, ry havako, fa lehibe ny tokoa ny voninahitra vao nomen’Andriamanitra antsika, tamin’ny naha martiry an’I Jean de Britto, iray fianakaviana amintsika. Ary aoka ianareo hiara mifaly indrindra amiko, fa efa nataon’Andriamanitra ho reny niteraka martiry aho”
Jesoa-Kristy indrindra no loha mitarika antsika hanaraka Azy amin’ny làlan’ny finoana. Ka aoka isika hibanjina an’I Jesoa filoha sy mpanefa an-tsakany sy an-davany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny hazo fijaliana sy tsy nitandro henatra koa (Heb. 12, 2).
Koa andeha àry isika hanatona ny Fon’I Jesoa fa miantso sy manainga antsika izy. Ary aoka haverintsika aminy ity Antso vonjy natao’ilay jamban’I Jeriko hoe “Jesoa, mamindrà fo aminay! Mba ampahirato ny masony’ny finonay!”
XIV. ANDRO FAHEFATRA AMBIN’NY FOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO NAMPIANATRA ANTSIKA NY FATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA
Maromaro ihany ny teny ao anatin’ny Soratra Masina milaza ny soa avy amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.Hoy ny Fanahy Masina tamin’ny alàlan’I Davida mpaminany “Ny Anjelin’y Tompo dia mitoby manodidina izay matahotra an’Andriamanitra, ka mamonjy azy… Matahora ny Tompo, ianareo Olomasina rehetra fa tsy manan-javatra ilaina izay matahotra Azy”. (Sal, 8-18). Ary hoy indray ny Fanahy Masina tamin’ny alàlan’I Salomona: “Ny fahatahorana an’Andriamanitra no foto-pahendrena. Ny fahatahorana an’Andriamanitra no loharanon’aina mampiala ny olona amin’ny fandriky ny fahafatesana.
Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ialàna amin’ny ratsy” (Ohab. 9, 10; 14, 27; 14, 6)
Eny! Marina tokoa fa na zovy na zovy tena matahotra an’Andriamanitra, dia tsy sahy manao fahotana. Tsarovintsika ny nataon’I Josefa, zanak’I Jakoba patriaka, fa notaomin’ny vadin’I Potifara hanao ratsy izy, ka toy izao no navaliny azy: “Ataoko ahoana no fanaovana izany ratsy lehibe izany, mba hanota amin’Andriamanitra? (Jen 39, 9)
Natahotra an’Andriamanitra koa Eleazara, lehilahy antitra. Nasain’ny Mpanjaka handika ny lalàn’Andriamanitra izy, fa tsy nety. Ary ilay nasiana kapoka mirivirivy iny izy, ka nila hahafaty azy, dia niloa-bava izy nanao hoe: “Andriamanitra ô, hitanao ihany fa miaritra ny fanolanana ny tenako aho noho ny tsy fetezako hiala amin’ny fahafatesana”
Kanefa noho ny fahatahorako Anao, dia miaritra izany amin’ny hafaliana” (2 Mk. 6, 30).
Ary hoy I Md Paoly: “Miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena” (Fil. 2, 12)
Kanefa aza diso hevitra isika; fa ny fahatahorana an’Andriamanitra dia toy ny fitiavana Azy ka misy am-bava fotsiny. Be tokoa ny mihambo ho tia sy matahotra an’Andriamanitra nefa mandikadika ny didiny lalandava, ka menatra olona fa tsy menatra an’Andriamanitra. Ireo dia tsy azo atao hoe: matahotra an’Andriamanitra. Fa ny fahatahorana marina dia ilay miorina ao am-po. Izany fahatahorana izany ihany no foto-pahendrena sy mampiala amin’ny ratsy.
Ka inona no tokony hatao mba hahazoana izany fahatahoran masina izany? Dia ny mieritreritra matetika ny fahambonian’Andriamanitra, sy mangataka amin’ny Fo Masin’I Jesoa mba hatahotra an’Andriamanitra marina tokoa.
1. Tokony handinika mateteika ny fahendrena tsitoha ananan’Andriamanitra isika, sy ny fahalalany ny zavatra rehetra, na dia izay miafina indrindra aza, ary ny fahamarinany hitsara ny asantsika.
Ny fahefana ambony indrindra no manapaka an’izo tontolo izao “Izy Mpanjakan’ny Tompon’ny tompo. Izy irery no manana tsy fahafatesana,mipetraka ao amin’ny hazavana tsy hay hatonina” (Tim. 6, 15- 16)
Ny fahalalany dia mihatra amin’ny zavatra rehetra, na dia ny miafina indrindra ao am- pon’ny olona aza.
Ny fahamarinany izay hiseo indrindra amin’ny fitsarana mahatahotra hataony amin’ny farandrontsika. Koa amin’izany andro izany, izay rehetra tsy matahotra ny didin’Andriamanitra, sy tsy matahotra Azy, ka maty tsy nivalo, dia hariany any amin’ny maizina; izay misy fitomaniana sy fikotroha-nify. (Mt. 8, 12)
2. Ny Fo Masin’I Jesoa no fototra ihavian’ny fahatahorana marina izay tsy mihoatra, tsy latsaka noho ny mety. Satria ny fahatahorana mihotra noho ny mety, dia manafoana tsikelikely ny fahatokisantsika an’Andriamanitra; ary ny fahatahorana latsaka noho ny mety kosa, dia miteraka ny fitokiantsika ny tenantsika, ka tsy miasa loatra hampiala antsika amin’ny fahotana.
Koa manatona àry isika ny Fo Masin’I Jesoa mba hihaino ny teniny manao hoe: “Avia ry zanako; ka mihainoa Ahy; fa Izaho hampianatra anareo ny fahatahorana an’Andriamanitra (Iza 33, 12).
Ry Fo Masin’I Jesoa, maminay sy telinay indrindra izany fiantsonao anay izany; ka mba mitenena, ry Tompo, fa mihaino izahay mpanomponao (Mpanj. 3, 10)
XV. ANDRO FAHADIMY AMBIN’NY FOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA NY FAHATAHORANA NY FAHOTANA.
Andeha isika hanatrika sy handinika ampanahy feno finoana ny zavatra lehibe faran’izay mahahontsa, tanteraka hatreo an-tanimbolin’i Oliva ka hatrany an-tampbon’i Kalvery. Ary izany fanatrehana sy fandinihana fohifohy izany dia hamapahafatatra antsika tsara fa ratsy ny fahotana ka tokony handosirantsika izy.
Jereo àry Jesoa fadiranovana izaitsizy, ka henoy ny feony misento hoe: “Ory ny fanahiko, fa ila hahafaty Ahy!” (Mat 26, 38). Indro Izy miankohoka amin’ny tany sy tsembo-dra noho ny hamafin’ny tahotra sy alahelo. Dia inona ihany moa no mampahory sy mampalahelo Azy toy izany? Ny antony dia ny fahotan’ny olombelona rehetra niantohany tany an-tranon’i Anna sy Kaifa, sy Pilaty ary Heroda. Toraham-bato amam-potaka Izy; roranany tavany; ampiakanjoina ny akanjon’adala Izy; rovidrovitra ny nofony vakivaky ny hoza-dràny; ary ràny nandriaka be! Topazo maso Izy mihantona eo ambonin’ny hazo fijaliana, ka miala aina eo am-pisatrohana fehiloha tsilo sy amin’ny fo voatrebon’ny lefona. Koa moa tsy Izy tokoa va ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo fijaliana, ka maty ho antsika mba hanafaka antsika amin’ny fahotana? (1 Pi. 24). Koa ny fahotana ihany àry no antony niaretan’i Jesoa ireo fahoriana sy fijaliana rehetra ireo; ka ratsy sy tokony atahorantsika indrindra izy “Ry zanak’i Siona, hoy ny Soratra Masina, mba fantaro ary jereo fa ratsy sy mangidy ny nahafoizanao ny Tompo Andriamanitrao” (Jer.2; 19).
Koa manatona ny Fon’i Jesoa isika ka mangataha Aminy mba hampahiratiny ny mason’ny finoantsika, hahitantsika ny hratsian’ny fahotana.
Ary tsy izany ihany, fa aoka ho dinihintsika tsara koa eo anatrehan’ny FoMasin’i Jesoa fa ny fahotana no tokony hatahorantsika noho ny loza rehetra ety ambonin’ny tany.
Inona tokoa moa ny fahotana? – Ny fahotana dia fandikana ny didin’Andriamanitra sy fikomiana Aminy . Ary rah any olona tratra am-body omby mikomy amin’ ny fanjakana no mendrika ho vonoina eo no eo , hanao kosa ny hanaovana’Andriamanitra izay sahy manao fahotana?
Ny fahotana no loza lehibe indrindra fa manimba sy manala Baraka ary mahavery ny fanahy izy .Ny fanahy nidiran’ny fahotana mahafaty dia tonga maloto izaitsizy,ka maharikoriko an’Andriamanitra ny fijeriny azy .
Very avokoa ny fananany rehetra ; ka toy ny sambo nitondra varotra saro-bidy ,rendrika teny ampovoan’ny ranomasina-be izy.
Ny fahazarana amin’ny fahotana dia mandoto ny fon’ ny mpanota .Mitoe-potaka ny fony,fa mihamafy mihamafy ihany araky ny andro hanotany ; fa tsy tahaka ny fon’ny olo-marina izay toa savoka tarafin’ny masoandro ka sady mihamalemy no mihadio.
Blanche de Castille, mpanjakavavin’i Frantsa dia nanan-janaka lahimatoa, atao hoe : Louis no anarany. Fanabeazana tena krisitianina tokoa, no nataony taminy. Vantany vao vory saina Louis, dia nampianariny ny hatsaram-panahy rehetra; fa indrindra indrindra naoriny tao am-pon’ny zanany ny fahatahorana ny fahotana. Ary toy izao no teny nataony tamin’i Louis: “Anaka, aleoko mahita anao maty tampoka eo anatrehako, toy izay mahita anao manao fahotana mahafaty na dia iray aza!” Tena niorina mafy tao am-pon’i Louis tokoa izany teny anatran izany, fa tsy nisy zavatra natahoranay tahaka ny fahotana. Ary nony efa mpajaka izy dia ireto ny teny mahagaga nosoratany ho hafatra farany tamin’i Philippe lahimatoany: “Anaka mitandrema tena tsara, aza manao fahotana, na dia fahoriana mafy toy inona aza no tokony ho leferina.”
Farany, aoka ho raisintsika toy ny avy amin’i Jesoa-Kristy ireto tenin’ny Soratra Masina ireto hoe: “Anaka, andosiro ny fahotana toy ny fandositrao ny menarana. Raha manatona azy hianao, dia ho azony sy ho fatiny. Ny nifiny dia nifin’ny liona mamiravira ny fanahin’ny olona. Ny fahotana dia toy ny sabatra roa lela maranitra mandratra ny fanahy sy ny nofo” (Ekles. 15, 2-3)
XVI. ANDRO FAHENINA AMBIN’NY FOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA HATAHOTRA NY FAHOTANA ROA LOHA INDRINDRA
Tsy dia mitovy haratsiana daholo akory ny fahotana, fa arakaraka ny haratsiana’ny fo entina manatanteraka azy ihany. Nefa misy karazam-pahotana roa tokony hatahoranatsika indrindra: dia: ny sakrikezy sy ny fahotana amin’ny Fanahy Masina. Ary azo lazaina fa ny fo faraidiny ihany no sahy manao ireo heloka mahatsiravina roa ireo.
I- Ny sakrilezy dia ny fanazimbana ny zavatra masina. Koa ny sakrilezy amin’ny fandraisana ny Sakarameta telo ihany no ho lazaina kely teo.
a. Saro-bidy dia saro-bidy tokoa ny Sakarametan’ny Penitasy; fa ny Rà
masin’I Jesoa-Kristy no vidiny. Koa noho izany, na iza na iza sahy mandray izany Sakarameta izany amin’ny fo ratsy, dia Jodasy faharoa, manitsakitsaka ny Ràn’ny Tompo sy mamadika Azy. Ary any taona any volana, any andro hilatsahan’ny hatezeran’Andriamanitra aminy.
b. Ny manao komonio dia ny mihinana ny tenan’I Jesoa-Kristy manotolo,
Tahaka ny nandraisan’ny Apôstôly Azy tamin’ny harivan’ny Alakamisy masina: Jodasy sahy nanao komonio ratsy, sy nivarota ny Tompony, ka niharan-doza tsy roa aman-tany. Fa hoy Jesoa tamin’ny Apôstôly: “Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy; kanefa lozan’izay olona hamadika, ny Zanak’olona; tsara ho azy ny tsy teraka” (Matio 26, 24) Mahatsiravina tokoa ny loza ateraky ny fanaovana, komonio amin’ny fo misy fahotana mahafaty!
d. Zavatra masina dia masina koa ny Sakarametan’ny Mariazy. Koa na zovy na zovy sahy mandray azy amin’ny fo misy fahotana mahafaty dia manimbazimba ny zavatra masina sy manao sakrilezy. Koa ireny tsy fifakatiavana’izy samy mpivady, ireny lolomp-po, fankahalana; ady an-trano, fandehandehanana araka izay itarihan’ny fony avy, ary ireny fisarahana aza, mazàna dia vokatry ny nandraisna ny Sakrametan’ny Mariazy tamin’ny fo ratsy.
II- Ny fahotana mahatsiravina hafa koa dia ilay fahotana atao hoe: fahotana amin’ny
Fanay Masina. Ny Jody, indrindra fa ny Farsiana no notondroin’I Jesoa ho mpanota amin’ny Fanahy Masina: satria ny asa mahagaga nataon’I Jesoa Kristy dia nolazain’izy ireo ho asan’y demony; navadibadik’izy ireo be ihany ny tenin’ny Soratra Masina, ka nandà an’I Jesoa-Kristy ho ilay Mesia voalazan’ny mpaminany izy; ka noesoiny ny fampianarana sy ny asan’I Jesoa Kristy. Tamin’ny farany dia niloa-bava Jesoa ka nandefa ireto teny mampihorn-koditra ireto hoe: “Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka amin’ity fiainana ity na amin’ny ho avy (Mat.12, 32). Ary tsy dia Andriamanitra no malaina hamindra fo aminy, fa izy no minia mikiry amin’ny fahotany, ka tonga miafara amin’ny fahafatesana ratsy. Koa mihatra aminy, indrindra ity tenin’i Md. Paoly ity hoe: Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebabaka ho anao (Rom. 2, 5).
Ahoana sy ahoana moa no fanota amin’ny Fanahy Masina? Manota amin’ny Fanahy Masina izay manova ny teny finoana marina. Manota amin’ny fanahy Masina izay manova ny tenin’ny Soratra Masina. Maneso ny Sakareta fito, indrindra fa Eokaristia Masina; manaratsy an’Masina Maria, Renin’I Jesoa-Kristy; manebaka ny fivavahana marina, ary manary toky tsy ho voavonjy. etc.
Kanefa tsy dia izay rehetra manao toy izany no tokony heverina ho tena mpanota amin’ny Fanahy Masina; satria misy olona indraindray miteniteny foana ka mandefa teny tsy voahevitra loatra, noho ny tsy fahalalany sy halemeny. Koa tsy azontsika atao hoe: mpanohitra ny Fanahy Masina ireo olona ireo.
Aoka isika samy hatahotra indrindra ny sakrilezy sy ny fanoherana ny Fanahy Masina.
Ary sanatria, fa raha misy tafalatsaka anatin’izany fahadisoana lehibe izany dia tokony tsy hamoy fo izy. Fa ny Fo Masin’I Jesoa no fialofan’ ny mpanota rehetra tsy ankanavaka. Ary isika izay mbola tsy nanota tamin’ny Fanahy Masina, noho ny fitahian’ny fahasoavan’Andriamanitra, mangataha amin’ny Fo Masin’I Jeso mba hiorina lalina ao am-pontsika ny fahatahorana marina. Fa ny fahatahorana ombam-pitiavana an’Andriamanitra no manafaka amin’ny fahotana.
Fo Masina’I Jesoa, matoky anao izahay.
XVII. ANDRO FAHAFITO AMBIN’FOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA HABDOSITRA NY FAHOTANA
NY Fatahorana marina dia toy ny fitiavana; tsy mba midonanam-poana izy, fa mitaona hiasa.
Ohatra, ka misy menarana hitanao mandady manatona anao, dia tsy maintsy ho azon-tahotra miaraka amin’izay ianao. Ary izany tahotra mahazo anao izany dia tsy maintsy hitanao anao mafy na hamono na handositra azy.
Ary raha dinihintsika ny fiheveran’ny Fo Masin’I Jesoa ny fahotana, dia ho fantatsika ny fankahlany azy tsy misy fetra, na dia naka ny endriny ny mpanota azy Izy, noho ny fitiavany antsika. Koa misy zavatra telo no ampianarin’ny Fo Masin’I Jesoa antsika mba handosirantsika ny fahotana: dia ny fivavahana sy ny fandraisana tsara ny komonio, ary fisarahana amin’ny zavatra na olona mhatarika amin’ny fahotana.
1. Raha tany an’efitra Jeso-Kristy ka nalain’ny demony fanahy; raha mbola fadiranovana tsembo-drà teo an-tanimbolin’Oliva Izy, inona moa no nataony? Nandeha indray izy nivavaka fanintelony ary ny teniny teo ihany no naveriny (Mat.26,44). Impiry Izy no nitaona ny Apôstôly hivavaka mba tsy horesin’ny fakam-panahy; satria ny fivavahana no mampahazo ny fahasoavana.
Voalazan’ny tantaran’ny Olomasina ny nanjo an’I Md. Fidèle Sigmaringen. Rehefa nahafoy ny havany sy ny fananany rehetra izy mba hanokantena amin’Andriamanitra, dia nidiran’ny fisalasalana be ny sainy, ka voataona mafy izy hiverina amin’izao tontolo izao. Dia nila hevitra tamin’ny Pretra mpampikonfesy azy izy, ka nasain’ity Pretra hivavaka tsara amin’Andriamanitra, mba hahafantarany mazava izay sitra-pony.
Nohenoin’Andriamanitra ny fivavahana nataon’I Md. Fidèle,fa nisava teo no ho eo ihany ny rahona nanakonan’ny demony ny marina. Izany tantara kely izany dia mampahafantatra antsika tsara fa ny fivavahana no mahafoana ny fakam-paahy
2. Ny Fanaovana Komonio tsara no manampy antsika lehibe indrindra handositra ny fahotana.
Inona tokoa moa ny Eokaristia?
- Ny Eokaristia no misy ny tenan’I Jesoa-Kristy manotolo izay fototra ihavian’ny fahasoavana rehetra, koa izany no anton’ireo anarana samihafa ataon’ny Soratra Masina amin’ny Eokaristia Masina milaza ny soa maro tovozintsika ao aminy.
- Ny Eokaristy dia mofo velona sy mahavelona tsara satria ny tenan’ni Jesoa-Kristy velon no mamelona ny fanahintsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. – Ny Eokaristia dia mofon’ny Anjely; satria izay te-ho madio dia tsy maintsy homana Azy.- Ny Eoskaristia dia fihinanam-be satria toy ny amin’ny fihinanam-be, izay rehetra asaina dia samy mahazo mifidy izay hanina tiany ho hanina. Ny Eokaristia dia antoky ny fiainana mandrakizay; satria manome antsika herim-po hanoheranatsika ny fahavalon’ny fanahintsika izy.
3. Na iza na iza matahotra soa angalarin’olona ny fananany, dia manalavitra ny mpangalatra. Ary izay tsy te-ho azon’ny areti-mifindra, dia tsy mba miray trano amin’ny mararin’io aretina io. Ka torak’izany koa izay matahotra ny fahotana, dia miala amin’izay rehetra mety hahatarika azy ami’ny fahotana.
Tena fananarana lehibe ho antsika kristianina ny nataon’I Md Edmond, fony izy mbola mpianatra.
Ny fananaran-dreniny azy matetikika mba handositra ny naman-dratsy izay toy ny biby masiaka, dia tafalatska tsara tao am-pon’I Edmond kely. Ary indray andro, sendra niaranitsangatsangana tamin’ny namany sasatsasany izy; ary nisy tamin’izy ireo sahy nana resaka vetaveta, ka nampihomehy ireo namany; fa tsy naharitra izany Edmond ka nisaraka taminy; Ary indro, kosa Jesoa-Kristy, tamin’ny endriky ny zaza, mahafatifaty, niseho tamin’I Edmond; ka nanao taminy hoe: “Arahaba ianao, ry malala! Taitra Edmond, ka ankona tsy nahateny. Ary hoy indray ilay Zaza taminy: “Angaha tsy mahalala Ahy ianao? Mahagaga ihany; satria mitoetra ao aminao mandrakariva Aho! Vakio ary ny Soratra eo amin’ny handriko” – Dia novakian’i Edmond izao teny izao hoe: Jesoa Nazareana Mpanjakan’Jody. – “Izany no anarako, hoy indray ilay Zaza, ataovy ho fiarovan’ny handrianao izy, dia tsy hidiran-doza ianao”. Rahefa izany dia tsy hita intsony ilay Zaza Andriamanitra. Faly loatra ny fon’I Edmond ary fatany fa ny nisarahany tamin’ireo namany ratsy ireo no nankasitrahn’I Jesoa indrindra.
Ho ao amintsika mandrakariva anie ny fahatahorana ny fahotana, dia tsy maintsy hazoto handositra izany loza be izany isika.

3. Bii
(
29/06/2014 08:57)
Bii:

XVIII. ANDRO FAHAVALO AMBIN’NY FOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MPAMPIANATRA ANTSIKA HO TIA VAVAKA
Ny fitiavam-bavaka no hatsaram-panahy ambony izay toa kasé hanamarihan’Andriamanitra ny olom-pinidy. Izy no ilay anjara tsara indrindra nofidin’i Maria Madelena, izay tsy hiala aminy (Lk. 10, 42).
Maro sady lehibe ny soa azo amin’ny fitiavam-bavaka; fa izy no mankamamy ny zavatra rehetra momba ny fanompoana an’Andriamanitra. Ary toy izao no toetry ny olona manana fitiavanam-bavaka.
Mahatsiaro an’Andriamanitra matetika izy sy manondrotra any Aminny fony. Ny heviny sy ny teniny ary ny asany dia atolony an’Andriamanitra ho fivavahana tsy tapaka. Mazoto mammonjy ny fomba-pivavahana ao an-trano leglizy izy .
Mampiasa ny finoana sy ny herim-pony hanorenany ny fitaoman-dratsy izy.Mikonfesy sy manao komonio matetika, ary mamangy ny Sakaramenta Masina, ka mangataka herim-po masina mba hanatanterahany tsara ny adidy maha-Kristianina azy izy. Mahay manetry tena tokoa sy tia namana izy, fa ny tenany kosa dia ataony ho ambanin’ny olona rehetra.
Tia sy manaja an’I Masina Maria tokoa izy; ka na inona fomba sy fanajana ary fitiavana azy, dia maminy avokoa; torak’izany koa ny amin’ny Anjely sy ny Olomasina.
Farany: ny olona manana fitiavam-bavaka tsy mba manaonao foana, manao mihoatra noho ny mety, fa maka hevitra amin’ny Pretra mpampikonfesy azy izy.
Dia hitantsika amin’izany, fa ny fitiavam-bavaka no fitarihana ny fahasoavan’Andriamanitra, sy fampiraisana ny ololana amin’i Jesoa-Kristy ary fanatanterahana ilay tenin’i Jesoa-Kristy hoe : Miambena ianareo ary mivavaha (Mk. 14, 38) Tsy maintsy irintsika mafy àry ny fitiavam-bavaka, ka ny Fo Masin’i Jesoa indray no tokony hatonintsika; fa ao amin’ny no hianaranatsika sy hahazoantsika ny vavaka.
Ny fivavahana lalandava no nataon’I Jesoa-Kristy ho anton-draharaha lehibe, fony Izy tety ambonin’ny tany, araka ny hitantsika ao amin’ny Evanjely. Matetika dia nisaraka tamin’ny mpanany Izy, mba hivavaka mangingina, ary indraindray naharitra mandritry ny alina no mivavaka. Raha nikasa hanao fahagagana Izy dia nivavaka aloha. Ny Fomba fanompoana an’Andriamanitra nankatoavin’ny Testamenta Taloha, no notanterahiny tamim-phazotoana. Ny Fon’i Jesoa dia niray mandrakariva tamin’ Andriamanitra, ka izany no naha-fivavahana tsy tapaka ny fivavahana nataony.
Ary ankehitriny mbola “velona mandrakizay Izy hanao fifonana ho azy ireo” (Heb. 7, 25).
Velona mandrakizay any an-danitra Izy, ka “manana mpisolso vava” ao amin’ny Ray isika, dia Jesoa-Kristy ilay Marina (1 jo. 2, 1). Velona ao anatin’ny Eokaristia koa Izy, ka miara-monina andro aman’alina amintsika, toy ny ray be fitiavana eo am-povoan’ny zanany. Sady tsy tapaka mivavaka ho antsika ny Fo Masin’i Jesoa fa Izy no Sorom-pifonana mahafaka ny fahotana (Jo 1, 2). Ny Fon’i Jesoa no mandray ny fivavahantsika, ka mahamendrika azy ho ankasitrahan’Andrimanitra. Ny fivavahana ataontsika mpanota no toa vy arafesina atsoboka ao anatin’ny volamena voarendrika. Maka, ny endriky ny volamena izany harafesina izany, ka mahafinaritra ny mason ny mijery azy. Torak’izany koa ny amin’ny fivavahana ataontsika. Raha atsoboka ao antin’ny Fo Masin’i Jesoa ny fivavahantsika, dia ho toy ny leman’ny Ra masin’I Jesoa izy ka hahafinaritra ny mason’Andriamanitra.
Raha eo anatrehan’i Jesoa ao anatin’ny Sakarameta Masina, manombena saina isika ka aoka haverintsika Aminy ilay fangatahana nataon’ny Apôstôly hoe “Mba ampianaro mivavaka izahay, Tompoko” (Lk- 11, 1).
XIX. ANDRO FAHASIVY AMBIN’NY FOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA HANETRY TENA
Mifanohitra indrindra ny fiavonavonana sy ny fanetren-tena. Ny mpiavonavona dia fatra-pitia tena sy mikatsaka ny ho deraina ary manao ny tenany ho tsara sy ambony kokoa noho ny namany. Ny mpiavonavona dia manao ny tenany ho fototry ny soa rehetra ananany. Ny mpiavonavona no ilay Farisiana niakatra teo an-tempoly hivavaka, hono; nihambo ny tenany ho marina izy, ka nanebaka ny namany. Tena halan’Andriamanitra tokoa ny fiavonavonana; fa izy no fototry ny haratsiana rehetra. – Fa ny fanetren-tena kosa dia herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay mitaona antsika hanao ny tenantsika ho tsinontsinona, ary mano ny tenan’ny namantsika ho zavatra ary amin’izay dia mampody haja sy voninahitra amin’Andriamanitra isika.
Ary mba toy inona kosa ny toetoetry ny olona manana fanetren-tena marina? Dia toy izao: Fantany tsara ny fahatran’ny fanahiny sy ny haratsiany, ka tsy mba manandratra ny tenany ho ambonin’ny sasany izay. Raha sendra misy olona latska anatin’ny fahadisoana lehibe, tsy mba taitra loatra ny tena mpanetry tena; satria fantany koa fa tsy misy soa mety ho vita, raha tsy misy fanampiana avy amin’Andriamanitra; ary na iza na iza tsy ampian’ny fahasoavany dia mety hahavita heloka be vava. Tsy mitady ny ho deraina izy; ary raha sendra mahazo haja sy voninahitra izy, dia tsy mihetraketraka noho izany, fa ampodiany amin’Andriamanitra izany haja sy voninahitra izany. Ary raha hosoran-dratsy kosa izy, dia tsy mimonjomonjo, fa mahay mandefitra tsara satria ny tenany dia heveriny ho mendrika izany fanaratsiana izany indrindra. Halany mainty ny fihatsarambelatsihy. Ary efa voadinidininy tsara ireto teny anatra nataon’I Tobia tamin’ny zanany ireto hoe: “Anaka, aza avelanao ho rarihin’ny fiavonavonana ny hevitrao , na ny fiteninao, fa ny fiavonavonana no mpitarika ny fahaverezana rehetra
” (Tob. 1, 14). Ary hoy indray ny Fahendrena masin’Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona: fa ny manetry tena kosa no omeny fahasoavana (Ohab. 3, 34).
Malaza tokoa tamin’ny fanetren-tena Marie de l’Incarnation, fan a dia andriana sy manankarem-be aza izy, dia nilatsaka ho masera ambany indrindra, nony efa maty ny vadiny. Koa ny raharaha, fanaon’ny mpanompo no nankafizany indrindra.Toy izao ny teniny: “Ny siny fantsakana rano tsy mety ho feno rano, raha tsy apetraka sy asaika; ary izaho koa tsy mety ho feno fahasoavana raha tsy mahay manetry tena”.
Koa amin’izany, ny fanetren-tena no hatsaram-panahy tokony hirintsika sy katsahintsika indrindra. Fa hoy Jesoa-Kristy : “ Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova hianareo ka tsy tonga tahaky ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny Fanjaka’ny lanitra. Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra” (Mat. 18, 3-4). Ary iza moa no mpampianatra ianarantsika tsara ny fanentren-tena ? Dia ny Fo Masin’i Jesoa no izy. Henoy ange ny teniny manainga antsika rehetra hoe : “ Mianara Amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho” (Mat. 11, 29). Endrey! mba fatratra tokoa manko ny fanetren-tenan’I Jesoa-Kristy! fa naka ny fombantsika olombelona Izy; ary afa-tsy ny fahotana, tsy misy endriky ny mpanota tsy nalainy. Ary voalazan’ny Soratra Masina ny fomba niainany tety an-tany : Nandevona ny tenany Izy, tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo ka tonga mitovy amin’ny olombelona (Fil. 2, 7). Ka mahagaga indrindra koa ny fanetren-tenan’I Jesoa ao amin’ny Eokaristia Masina! Ny voninahiny, sy ny fahefany, sy ny toetra ary ny fomba maha-Andriamanitra Azy dia afeniny, ka toa tsy misy intsony ; ny hany mba hitantsika maso dia ny endriky ny mofo sy ny Divay. Ry Fon’i Jesoa ivavahana, indreto izahay avy ary manatona Anao, na dia mpanota mahantra aza.
Tianay ny hametrahanao ilay kase fanamarinanao ny olom-pinidinao; dia ny kasen’ny fanetren-tena. Mba tariho izahay, ry Mpampianatra malalanay! Ary aoka hisokatra ny Fonao Masina ,mba hidiranay ao sy hahazoanay ny fanetren-tena mahavonjy!
XX.ANDRO FAHAROAPOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA TSY HO TIA VOLA AMAN-KARENA BE LOATRA
Misy fitiavam-bola amn-karena antonony, ary misy fitiavam-bola aman-karena be loatra.
Ny fitiavam-bola aman-karena antonony, tsy dia ratsy tsy akory, fa mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’Andriamanitra ihany.
Fa ny fitiavam-bola be loatra kosa dia ratsy; satria ny olona tia vola aman-karena be loatra, dia tonga tsy matahotra an’Andriamanitra ,ka aleony manitsakitsaka ny didiny toy izay ny tsy hahazo vola bebe kokoa .Mafy ny tenin’ny Soratra Masina ny amin’izay tia vola loatra ; fa hoy izy : Izay te-hanan-karena dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilana maro tsy misy heviny sy mampidi-doza ,izay mandetika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra .Ka ny sasany nentin’izay, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro ( 1 Tim. 6, 9-10).
Inona tokoa no raty tsy sahiny hatao mba hahazoany vola aman-karena be? Ny fianianana masina nataony tamin’ny batemy dia ivadihany; sady mitoroka izy no mamitaka am-barotra ary manao an-keriny aza. Mitsngan-ko vavolombelona tsy marina izy eo am-pitsarana, ka mandainga.
Farany, sahy mivadika amin’ny finoany izay, ka mivarotra an’i Jesoa-Kristy Tompony!
Manao ahoana kosa ny fiheveran’ny Fo Masin’I Jesoa ny amin’ny fitiavam-bola aman-karena be loatra? Mba tsara loatra, endrey! ny anatra sy ny ohatra nomeny antsika. Diniho kely ange fa ny vehivavy nofinidy ho reny, ary ny lehilahy nalainy ho mpitaiza Azy, dia olo-mahantra sy fadiranovana.Ny trano nahaterahany dia lava-bato tranon’omby.
Ary ny toetoetra niainany tety ambonin’ny tany dia voalazan’ny Soratra Masina hoe: Ny amboa haolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany, fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany! (Mat. 8, 20).
Roa karazana ny olona nanaovan’I Jesoa-Kristy fampianarana ny amin’ny fananan-karena; dia ny Apôstôly sy ny namany ary ny sarambaben’ny olona.
Ny Apôstôly sy ny namany dia nantsoin’I Jesoa Kristy hanao tahaka Azy: dia ny handao ny tranony sy ny havany ary ny fananany ,mba hanaraka Azy sy hiombona fahantrana Aminy. Tsy tapaka tamin’izay ny fiantsoany ny olona hanao tahaka azy,fa isan’andro vaky mbola mitaona ny olona sasany ihany hahafoy ny tranony sy ny havany sy ny fananany ary hanamavo ny vola sy ny harena Izy .Sambatra loatra izay voaantso toy izany ka mahatanteraka ary mihatra amin’izy ireo ity tenin’ny tompo ity hoe : Izay rehetra handao ny tranony ,na ny rahalahiny ,na ny anbaviny ,na ny rainy ,na ny reniny ,na ny vadiny ,na ny zanany ,na ny taniny ,noho ny anarako ,dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. (Matio.19,29)
Ary ny sarambaben’ny olona kosa tsy dia antson’Andriamanitra hahafoy ny fananany rehetra ,fa asainy handamina ny fitiavany ny vola sy ny harena ,mba tsy ho be loatra ;ka ny didin’Andriamanitra sy ny Eglizy no fanitsiana izany fitiavam-bola izany.Misy tokoa olona manan-karena ka manao izay hitomboan’ny fananany.Tsy diso izany olona izany raha sady mitady hitombo harena no manaraka tsara ny didin’Andriamanitra,ary mikasa hanampy ny mahantra sy ory ary ny Eglizy amin’ny vola be azony izy.
Moa tsy izany indrindra va no nataon’ireny mpanjaka sy olona ambony malaza tamin’ny hatsaram-panahy ireny ,toa an-dry Md Louis sy Henri; ryMb Hélène sy Clotilde ary Marguerite sy ny mpanjaka vavy maro.Raha ny vola sy ny harena ary ny zavatra samihafa mahafinaritra ny nofo ,dia manana izay tratra tokoa izy ireo ; nefa noheveriny ho tsinontsinona ireo zavatra rehetra ireo ka nozarazarainy tamin’ny mahantra , sady nilozoka tamin’ny fampijalian-tena sy tamin’ny fanaovana asa izy.
Aoka isika rehetra, na izay manana na izay tsy manan-karena, samy hangataka amin’ny Fo Masin’i Jesoa mba hahitsiny tsara ao am-pontsika ny fitiavantsika ny vola sy harena. Firifiry akory ny olona very mandrakizay noho ny fitiavany volabe loatra! Samia àry matahotra sy mitandrina isika mba tsy ho anisan’izy ireo.
XXI. ANDRO FAHA RAIKA AMBY ROAPOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA NY FAHADIOVANA
Ao amin’ny tonon-kiran’i Salomona misy teny toy izao: lasa nakaiza ihany ny malalanao, ry fanahy tsara indrindra? Andeha hiara-kitady Azy aminano izahay… Tsia, fa lasa nankany an-tanimboliny Izy… hanangona ny voninkazo fotsy… fa faly mihinana eo ampovoan’ny vonikazo fotsy Izy (Tononk. 5, 17; 6, 1-2).
Jesoa-Kristy no ilay malala fatra-pitia loatra ny voninkazo fotsy, izany hoe: ny fahadiovana.
Diniho tokoa fa hatrany hatrany dia olona madio no nofidiny hiarahana mitoetra. Virjiny no reny niteraka Azy; virjiny no lehilahy mpitaiza Azy; virjiny i Joany Baptista mpialoha Azy; virjiny i Joany, ilay apôstôly malalany indrindra. Tety ambonin’ny tany dia nankalaza ny faha virijiniana Izy, ary Izy ihany indray no nilaza tamintsika tamin’ny alàlan’I Paoly apôstôliny, fa ny fahavirijiana dia ambony noho ny fanambadiana. Ary izay antsoin’Jesoa-Kristy hanao raharaha lehibe amin’ny Egliziny, dia tiany ho virjiny; satria izay tsy manambady, dia mitandrina izay an’ Andriamanitra mba hahafinaritra Azy. Ka fantatsika amin’izany, fa ny fahadiovana, indrindra fa ny fahavirijinana no hatsram-panahy mamin’ny Fo Masin’i Jesoa tokoa.
Koa toy ny inona ihany moa ny fahadiovana ilain’ny Kristianina? Dia ny fahadiovan’ny fo sy ny fahadiovan’ny vatana. Misy ihany diso hevitra ka manao ho tsy fahotana ary minia mihevitra zavatra maloto, na ny mikolokolo ao am-po fanirian-dratsy. Nefa fahotana tokoa izany, na dia tsy tanteraka amin’ny nofo aza ireo hevitra sy faniriana ratsy ireo! Fa hoy Jesoa-Kristy: Izay rehetra mijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady (Mat. 5, 28). Ary ny olona toy izany indrindra no nanarin’I Jesoa mafy hoe: Lozanareo ry mpanora-dàlana sy farisiana mpihatsara-velatsihy fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo nefa ny ao antiny feno halatra sy tsy fihononana. Ry Farisiana jamba! Diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia maba ho madio koa ny vohony (Mat. 23, 25-26). Koa mba fantarontsika tsara àry fa ny fo no miteraka ny fahotana: fa hoy indray ny Soratra Masina: Ny fo no ihavian’ny hevitra ratsy, ny famonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenana ratsy (Mat. 15, 19).
Ny fahadiovana dia azo ampitahaina amin’ny raikitra feno volamena, ka mapitsiriritra ny mpangalatra izaitsizy, na azo ampitoviana amin’ny zavatra-manaitra voatahiry anaty tavoahangy mora vaky. Ny rakitra feno volamena, raha tsy voatandrina tsara, dia tsy maintsy ho lasan’ny mpangalatra, ary ny tavoahangy feno ranomanitra raha hanaovana mosalahy, dia tsy maintsy ho vaky ka ho raraka ny zava-manitra. Torak’izany ko ny amin’ny fahadiovana; raha kitoatoa ny fitandremantsika azy, dia tsy maintsy ho lasan’ny demony ary ho afaka ilay fofn’ny hanitra soa ananany. K’inona àry no tokony hataontsika mba hitahirizantsika azy tsara?
Dia tokony hivavaka matetika isika araka ny hafatra nataon’I Jesoa-Kristy tamintsika hoe:
“Tsy maintsy hivavaka lalandava, ary tsy hitsahatra(Lk.18, 1). Ao amin’ny komonio misy ny Fo Masin’I Jesoa indrindra no hanovozantsika herimp-po, izahy hampaharitra antsika amin’ny fahadiovana. Ka Masina Maria renintsika no tokony hiangaviantsika mba hampahazo antsika izany fahasoavana lehibe izany. Ary ny fivavahana fanaontsika, aoka hataontsika hary fomba; izany hoe: fivavahana atao am-pitandremana, am-pinoana, am-panetren-tena ary am-pahatokiana. Ny fivavahana atao toy izany dia tsy maintsy hampirisika antsika hitandrina tsara ny fandresan’ny vatana mba tsy ho very fahadiovana.
Kanefa raha ny fivavahana ihany, dia mbola tsy ampy; fa tsy maintsy hasiana asa fivalozana sy fijalijaliana tsy mahalana loatra. Fa hoy indray Jesoa-Kristy: “Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina izany karazana izany” (Mk 9, 28), Ka tsy ny fifadiana ao am-po ihany no lazain’ny Tompo tamin’izany teny izany, fa ny fampijaliana ny nofo koa. Fa hoy Md. Paoly manazava izany: “Asiako mafy ny tenako ary andevoziko mihitsy aza sao ny sasany efa nitoriako fa tenako kosa hatosika” (1 Kor. 9, 27).
Ry Fon’i Jesoa, fototry ny fahadiovana rehetra mba hamasino ny tenanay sy ny fonay. Aoka ho madio izahay mba hanompo Anao sy hanao mandrakariva izay mahafaly Anao!
XXII. ANDRO FAHAROA AMBY ROAPOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA HANANA FO MAHITSY
Inona moa no atao hoe: fo mahitsy? Ny atao hoe : fo mahitsy na hitsim-po, dia ny fo tia an’Andriamanitra no antony hanaovany ny asany rehetra sy fototry ny heviny sy ny fikasany rehetra. Koa izany hitsim-po izany indrindra no nanafatrafaran’i Md.Paoly ny kristianina taloha fa hoy izy taminy: “Na mihinana, na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany” (1 Kor. 10, 31). Ary hoy koa indray izy tamin’ny Kolosianina: “Na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo tokoa toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’ny olombelona (Kol. 3, 23).
Maro dia maro loatra ny olona minia mivaky tratra isan’andro, ka aim-bery foana ny azy satria tsy mhay manolotra ny asany amin’Andriamanitra izy ireo. – Tsy mba mihevitra an’Andriamanitra akory izy ireo, ka maty antoka be vava amin’ny fikelezan’aina ataony ; satria ny zavatra mandalo no antenainy, fa tsy ny valisoa maharitra mandrakizay. Ka diso hevitra tokoa izy.
Fa ny olona mahitsy fo kosa dia manangon-drakitra be any an-danitra, ka tsy tapaka manolotra ny asany isan’andro sy ny zavatra rehetra manjo azy amin’Andriamanitra. Managona harem-be any an-danitra ny marary mahitsy fo, izay mahay miaritra am-pinoana ka manolotra amin’Andriamanitra ny aretina sy ny fahasosorana mahazo azy. Manangona fananana be any an-danitra ny mpianatra mahitsy fo mahatsiaro an’Andriamanitra matetika eo am-pianarana, ka manolotra ny fianarany amin’Andriamanitra. Koa na inona na inona àry atao amin’ny fo mahitsy, dia latsabato saro-bidy any an-danitra izany.
Dia azontsika heverina amin’izany ny habetsahan’ny latsa-bato any an-danitra azon’ny kristianina mahitsy fo hatao isan’andro, ka voasoratry ny Anjely amin’ny bokin’ny fiainana. Hafalina manao ahona ho an’ny kristianina mahitsy fo raha mby any amin’ny fitsarana famelarana ny bokin’ny fiainana, ka ho hitany voasoratra ao ny anarany!
Ary ao amin’ny Fo Masin’I Jesoa no ahitan’ny mason’ny finoantsika ny loharanon’ny hitsim-po. Fa hoy ny Soratra Masina:”Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony” (Mk. 7,37). Tamin’ny zavatra rehetra nataony dia ny voninahitr’Andriamanitra ihany no nokendreny. “Izaho, hoy Izy, tsy mba mitady voninahitra ho Ahy, fa manao izay tiany mandrakariva” (Jo. 8, 50). Koa ny asa sy ny hevitr’i Jesoa-Kristy dia toa volamena voatefin’ny fitiavana an’Andriamanitra tsy azo oharina; ka ny Fo Masin’I Jesoa no toa fatana irehetan’izany afom-pitiavana izany.
Tokony hanenina sy halahelo ihany isika noho ny tsy fahaizantsika nanangona rakitra any an-danitra. Raha dinihintsika ankitsirano tokoa, dia ho hitantsika fa dia ny fitiavana an’Andriamanitra no antony nikelezantsika aina toy izany, fa ny fitiavantsika tena, sy ny filan-tsitraka ary ny filam-nola. Koa toa ilay mpivarotra tsy mitandro hasasarana tamin’ny varotra isika; Kanjo sasa-poana fa maty antoka be vava.
Andeha ary isika hanatona ny Fon’i Jesoa sy hangataka ny hitsim-po Aminy. Sady mikasà mafy isika hihazatra haolotra isan’andro Aminy ny hevitsika sy ny asantsika rehetra.
XXIII. ANDRO FAHATELO AMBY ROAPOLO.
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA HANAIKY TSARA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Toy izao no foto-kevitra tokony hiorina lalina ao am-pontsika: Na iza olona na inona zavatra dia manana an’Andriamanitra ho Tompony, Ary tsy misy zavatra tanteraka, tsy misy zavatra tonga sy mihatra, raha tsy ny sitrapon’Izy Tompo Nahary, Ny fahotana ihany no tsy mba nataon’Andriamanitra; fa indrindra nomeny safidim-po ihany ny olombelona, dia tsy hanao an-keriny aminy Izy, fa avelany hanaraka ny danin’ny kibony sy handika ny didny ny mpanota. Koa amin’izany na inona tonga na inona mihatra dia sitrapon’Andriamanitra no atony satria, na Izy mihitsy no mhatonga izany, na Iza no mamela azy ho tonga. Ary na dia ny haratsian’ny olona aza no fototra ihaviany, dia mbola Andriamanitra ihany no mamela izany, ka tokony ho raisintsika amin’y fo manaiky tsara.
Hiorina mafimafy kokoa ao ampontsika izany foto-kevitra izany, raha any nanjo an’I jesoa-Kristy tao an-tanimbolin’iOliva no eritreretintsika:
Fantany rahateo ny fijaliana rehetra hanjo Azy, ka fadiranovana sy tsembo-drà Izy. Voatsindron’ny tahotra, alahelo sy fahalainana ny Fony, ka toa nizara roa. Mbetika Izy toa nalaina, ka nangataka mba ho lavitra Azy izany kapoka mangidy izany, mbetika Izy manaiky hisoto azy hatramin’ny farany :”Raiko ô, hoy Izy, raha sitrakao, alaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitraponao anefa no aoka ho tanteraka fa tsy ny Ahy” (Liok. 12, 42). Eny, marina tokoa fa ny Fon’i Jesoa no fianarantsika hanaiky tsara ny sitrapon’Andriamanitra! – Ny haniko, hoy Izy indray, dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.Satria tsy mitady ny sitrapoko Aho fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy (Jo. 4, 34; 5, 30).
Ary ny Fon’i Jesoa dia tsy fianarantsika hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra ihany, fa fankaherezana ny fontsika hankato mandrakariva izany sitrapo masina izany. Lohasaha fitomaniana ity tany ity, ka raha tsy misy herin’Andriamanitra manampy antsika, dia tsy maintsy ho kivy sy ho reraka ambony ihany isika.
Ny Fon’i Jesoa indrindra no nalain’I M.d François de Sales ho fianarana ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra. Sendra nisy olona nanendrikendrika sy nanala baràka azy; ka nataomin’ny sakaizany izy mba hamoaka teny fialan-tsiny teo imason’ny vahoaka. Fa tsy nety izy sady niteny nanao hoe: “Ny sitrapon’Andriamanitra no namela izany ratsy izany hihatra amiko; koa asa azy, fa izy ihany no mahalala”. Ary raha nandre ny nahafatesan’ny ralahiny malalany izy, dia namihin-tanana ka niandrandra ny lanitra nanao hoe:”Tsara izany fa ny sitraponao, ry Andriamanitra, no antony!”
Torak’izany koa no nataon’Mb. Elizabeta mpanjakavavin’i Portugal. Nisy niampanga lainga azy tamin’ny vadiny; Tezitra ny mpanjaka ka nandroaka azy. Nalahelo ny vahoaka, satria tiany sy nohajainy fatratra i Elizabeta. Koa nisy lehibe sasany amin’ny fanjaka nanome hevitra azy mba hiaro tena, fa izy sy ny vahoaka dia vonona-kanaraka sy hiaro azy: Sanatria izany, hoy Elizabeta mpanjakavavy, fa aoka hanompo tsara ny mpanjaka hianareo rehetra. Andriamanitra no Raiko itokiako; koa Izy no hampody ny voninahitro, raha sitrapony izany. Tsy mampninona ahy ny ho afa-baraka eo imason’ny olona, raha tsy afa-baraka eo imason’ny Raiko aho tsinona.”
“Ny zavatra rehetra, hoy ny ohabolana, dia misy todiny avokoa”. Ka noho izany, ny ratsy manjo ny olona nampianarin’ny Fo Masisin’I Jesoa hanaiky tsara ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra, dia mody soa ho azy; fa miova ho ratsy kosa ny soa azon’izay tsy manaiky ny sitrapony marina. Koa aoka ho tanantsika tsara ity fampianarana nataon’I Md. Bonaventure ity hoe: “Aleo ny mandefitra fahoriana amin’ny fo manaiky ny sitrapon’Andriamanitra, toy izay manao asa soa araka izay danin’ny kibo”. Mahasoa kokoa ny mandefitra tsy amim-pimonjomonjoana, raha very fanana, toy izay ny manome izany fanana izany ho an’ny mahantra; mahasoa kokoa ny miaritra ny aretina toy izay mampijaly tena. Satria raha miaritra ny aretina sy ny fahoriana amin’ny fo manaiky isika dia ny sitrapon’Andriamanitra no tanterahintsika, fa ny sitrapontsika. Fa raha manao asa soa amin’ny sitrapontsika kosa isika, dia tsy ny sitrapon’Andriamnitra, no tanterahintsika fa ny antsika; ka izany no mahakely ny hatsaran’ny asa soa ataontsika.
XXIV. ANDRO FAHAEFATRA AMBY ROAPOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO AHAFANTARANTSIKA FA MAHASOA SY MAMY NY MITONDRA NY HAZO FIJALIANA
“Raha misy te-hanaraka Ahy; hoy Jesoa-Kristy indray andro tamin’ny vahoanaka, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hanaraka Ahy (Lk. 9; 23). Koa inona ihany moa no hoe mitondra ny hazo fijaliana? Dia ny mianatra sy mandefitra na inona na inona mamapahory sy mampijaly. Ka hazo fijaliana asain’i Jesoa-Kristy entina avoaka na ny aretina na ny fanenjehana na ny faty antoka, na ny fitaoman-dratsy, na ny alahelo, na ny fahasosorana, na ny fahantrana, na ny endrikendrika, na ny fialonana ny fanaratsiana ary na inona na inona ratsy manjo.
Toa sarotra sia sarotra ho anay loatra, ry Jesoa, ny manatanteraka izany teninanao izany. Ry Jesoa ô! Dia tsy misy làlana moramora kokoa va hanarahana Anao? Toa tsy zakanay ny mitondra ny hazo fijaliana isan’andro? – Ary hoy Jesoa mamaly izany fisalasalana sy fitarainantsika izany: “Mankanesa aty amiko, anaka, ary midira ao anatin’ny Foko. Izaho no làlana.” Tsy misy làlankafa! Ka diso izay manaraka ny araben’izao tontolo izao. Ny fianako taty ambonin’ny tany, dia fijaliana hatrany hatrany.
- Mampangorakoraka, izany teninao izany, ry Tompo! Eny! Fijaliana lalandava tokoa no nanjo Anao! Mba vonom-pikasana koa àry izahay ma hiombona anajara Aminao.Ka atoroy anay indray izay tokony hataonay mba hitondranay tsara isan’andro ny anjara hazo fijalianay.
- Alatshao tsara ao am-ponareo, anaka, ireto teny fananarana avy amin’ny Foko ireto: Fantaro fa izay tiako indrindra no ampitondraiko hazo fijaliana, mba hitovizany anjara Amiko. Koa na inona mampijaly, na inona mampahory, na inona mampalahelo sy mahasosotra, dia izany no hazo fijaliana atolotro azy mba ho entiny manaraka Ahy. Koa aoka ho raisinareo tsara ny anajara hazo fijalianareo, fa hihamangidy miaraka amin’izay ho anareo ny hafalian’izao tontolo izao; hanalavitra ny fahotana ianareo ary hanatona Ahy akaiky, dia hahita fialan-tsasatra sy fiadanana ianareo.
- Mamy sy telinay indrindra izany teninao izany, ry Jesoa ka velom-paniriana mafy izahay hitondra isan’andro ny fijalianay. Kanefa matahotra sao ho reraka eny an-dalana sady tsy mahatokan-dàlana rahateo izahay. Koa aiza re no hangalanay toky sy hery?
- Ny Foko, hoy ny famalin’i Jesoa, no loharanon’ny fahasoavana rehetra. Ka mba henoy kely indray, anaka, ity teniko ity: Raha misy mitondra hazo fijaliana noho ny fitiavany Ahy, Izaho dia tsy handao azy; fa sady hankahery no hialoha làlana azy Aho. Ny Apôstôliko dia niaritra fijaliana lalandava: ny Martiriko dia nandefitra fampijaliana faran’izay mafy; ary tsy tambo isaina ny Olomasiko naniry mafimafy kokoa ny fijaliana fa tsy tahaka ny fanirian’ny mpivarotra hahazo vola. Ary taiza no nahazoany izany herim-po mahagaga izany? Tao anatin’ny Foko no nanovozany azy: ka nihoa-pampana ny hafalian’izy ireo tamin’ny fahoriana nanjo azy.
- Misaotra Anao izahay, ry Jesoa, amin’ireo teny mahafa-po voalazanao ireo. Fantatray tsara amin’izao fa ny hazo fijaliana tokoa no anjaran’ny rehetra te-hanaraka Anao ho any an-danitra. Ka vonon-kanaraka izany lalan’ny jazo fijaliana izany izahay. Matoky Anao izahay, ry Jesoa, fa Ianao no hanohana anay sy hampirisika anay haharitra ambara-pahafaty.
-
XXV. ANDRO FAHADIMY AMBY ROAPOLO
NY FO MASIN’I JESOA NO MAMPIANATRA ANTSIKA HANAO SORONA SY HAHAFOY ZAVATRA
Ny sorona dia zavatra mety hita maso, ka atolotra sy afoy ho Andriamanitra hankatoavana Azy ho Tompon’ny zavatra rehetra.
Ny toetran’ny fomba niainan’i Jesoa-Kristy tety ambonin’ny tany, dia fahafoizan-javatra lalandava. Ny voninahitra sy ny harena ary ny hafaliana rehetra momba an’izao tontolo izao dia nafoiny avokoa. Ary tsy izany ihany, fa ny tenany aza dia foiny ho tevatevaina, sy hampijaliana ary ho vonoina. Koa amin’izany, sady Mpisorona Izy no zavatra natao sorona.
Ary raha ny mason’ny finoantsika no entintsika mandinika an’i Jesoa-Kristy ao amin’ny Eokaristia Masina, dia mbola hitantsika ihany Izy mahafohy ny tenany hiara-konina mandrakariva eo ampovoantsika sady hanolotra ny tenany ho sorona ankasitrahan’Andriamanitra indrindra.
Ary inona fa tsy ny Fon’I Jesoa no nitaona azy hahafoy ny tenany ho tahaka izany. Ka ny Fon’I Jesoa ihany koa no nitaona ny olona hahafoy tena sy zavatra noho ny fitavana an’Andriamanitra. Izy no manazava ny sain’ny olona ka mampahafantatra azy ny sorona mendrika hatao.
Ny Fon’i Jesoa koa no mampianatra sy mankahery antsika, izay sorona sy fahafoizan-javatra ankasitrahan’Andriamanitra.Koa ny olona rehetra tsy anakanavaka