Fampodian-kaja ny Fo Masin'i Jesoa

Ry Fon'i Jesoa tokony ho tiana indrindra, izay mitoetra eo ambonin'ny ótely, malahelo mafy amin'ny fanaratsian'ny olona Anao aho. Koa inty aho, tsìndrian'ny fahotako sy ny fahotan'ny namako, miankohoka eto anatrehanao sy milela-paladia Anao ary manolotra ny tenako aminao ho fampodian-kaja sy famerenam-boninahitra. Mba avelao, ry Jesoako, ny fahotanay rehetra. Ianao namela ny heloky ny namono Anao tamin'ny Hazofijaliana; koa mba iantrao ny mpanota izay manenina sy manetry tena. Henoy ny fifonan'ny Fonao, ary dia hanadino ny fahotanay Ianao. Aoka mba hitambatra amin'ny alahelonao ny alahelonay, ary mamindrà fo aminay lanao, ry Tompo be fitiavana. Amen.

Hevitra mandeha

admin ( 28/06/2014 20:04)
Mety

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819