Ny Raozery

Ny Raozery dia fombam-pivavahana iray hibanjinana ireo misiterin'ny fiainan'i Jesoa miaraka amin'i Masina Maria. Nofintinin'ny Fiangonana ao anaty mistery efatra lehibe izany ka isaky ny mistery iray dia misy fizaràna dimy. Ireo fizaràna ireo indrindra no dinihina rehefa manonona ny vavaka.

Toa izao ary ny fomba fanaovana ny Raozery

Arakaraka ny andro dia mifidy mistery iray (Jereo ery ambany). Iny izany no lohahevitra hobanjinina.

Atomboka amin'ny Simbolin'ny Apostoly ho fanehoana ny finoana an'Andriamanitra sy ny fiombonam-bavaka amin'ny Fiangonana. Avy eo Rainay sy Arahaba ry Maria telo ary Voninahitra.

+--O--ooo--O

Miditra amin'ny fizaràna amin'ilay Mistery hobanjinina amin'izay. Ka isaky ny fizaràna dia Rainay iray, Arahaba ry Maria folo ary faranana amin'ny Voninahitra iray.

O--oooooooooo--O

Isaky ny fizaràna dia tsara raha atomboka amin'ny vavaka tahaka izao (araka ny ohatra napetrak'i Md. Louis-Marie Grignion de Montfort):

« Atolotray anao, ry Jesoa Tompo, ity fizarana (voalohany)  ity mba ho fibanjinana ny Mistery (mampalahelo voalohany) dia ny (niadianao aina tao an-tanimbolin'i Oliva), koa amin'izany dia mangataka aminao izahay, miaraka amin'ny fangatahan'i Masina Maria Reninay, ny fahasoavan'ny (fanekena ny sitraponao). »

dia avy eo mandeha amin'ny fizarana manaraka (Ohatra eto hoe Mistery mampalahelo faharoa)

Rehefa vita ny Mistery manontolo (Arahaba ry Maria 50) dia faranana amin'ny vavaka na hira iray fanajana an'i Masina Maria, ohatra hoe Salve Regina

Ireto ary ny Mistery:

 

Mistery Mahafaly (Tsara hatao Alatsinainy sy Sabotsy)

1 - Ny Arkanjely Gabriely miarahaba an'i Maria.
2 - I Masina Maria mamangy an'i Mb Elizabeta.
3 - I Jesoa Kristy teraka anaty tranon'omby.
4 - I Jesoa Kristy atolotr'i Masina Maria sy Md Josefa ao anatin'ny Tempolin'Andriamanitra.
5 - I Jesoa Kristy very hateloana, ka hitan'i Masina Maria sy Md Josefa tao anatin'ny Tempolin'Andriamanitra.


Mistery Mamirapiratra (Tsara hatao Alakamisy)

 

1 - I Jesoa Kristy atao Batemy ao Jordany
2 - I Jesoa Kristy manova ny rano ho divay eo amin'ny fampakaram-bady any Kana.
3 - I Jesoa Kristy mitory ny Fanjakan'Andriamantira ary miantso ny olona hibebaka.
4 - I Jesoa Kristy miova tarehy any an-tendrombohitra.
5 - I Jesoa Kristy mamorona ny Eokaristia.

 


Mistery Mampalahelo (Tsara hatao Talata sy Zoma)

1 - I Jesoa Kristy miady aina fadiranovana tsembon-dra ao anatin'ny tanimbolin'ny Oliva.
2 - I Jesoa Kristy kapohina mafy.
3 - I Jesoa kristy satrohana fehiloha tsilo.
4 - I Jesoa Kristy ampitondraina ny hazofijaliana ka lavo in-telo.
5 - I Jesoa Kristy fantsihana amin'ny hazofijaliana ka miala aina eo.

 

Mistery Be Voninahitra (Tsara hatao Alarobia sy Alahady)

1 - I Jesoa Kristy mitsangan-ko velona.
2 - I Jesoa Kristy miakatra any an-danitra.
3 - Ny Fanahy Masina midina amin'i Masina Maria sy ny Apostoly.
4 - I Masina Maria ampiakarin'ny Anjely any an-danitra.
5 - I Masina Maria satrohan'ny Trinite Masina satro-boninahitra any an-danitra.


Rohy mety ilaina :

- Simbolin'ny Apostoly
- Rainay any an-danitra
- Arahaba ry Maria

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101