Vavaka fifonana sy fanetren-tena

Jesoa ô, mitambesatra ato amiko loatra ny vesatry ny fahotako. Reko Tompo ô fa manalavitra Anao aho, tsapako fa tsy ilay lalana nosoritanao ho ahy no diaviko hany ka menatra aho na dia ny hiatrika ny Tavanao aza. Ankehitriny anefa, indro aho manatona Anao indray , velariko eto anatrehanao ny fahotako ary Ifonako Aminao avokoa izany. Ary fenoy herin'ny Fanahy Masinao aho raha sitrakao, ampatsiahivo ahy ilay fitiavana voalohany nahatonga ahy hanaraka Anao Jesoa ô mba hahafahako mitoetra, manana finoana tsara orina, mba tsy hanotako Aminao intsony. Misaotra Jesoa ô, AMEN!!!

Hevitra mandeha

rabesao ( 11/07/2018 05:59)
Miarahaba antsika rehetra ! Maniry aho ny mba ahitana ireny vavaka fanao andavanandro ireny ato, na amin'ny androïd.
Misaotra mialoha

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856