Araka ny vaovao voaray dia nodimandry io maraina io, alatsinainin'ny Paka 2025, tamin'ny 7ora 35mn ny Papa Fransoà. ilay dimbin'i Piera feno fitiavana sy fanetren-tena izay nitondra ny Fiangonana Katolika nanomboka tamin’ny taona 2013.
Tampoka ihany izao fandaozany izao na dia hita aza fa tsy reraka izy tato ho ato taorian'ny tsy fahasalamana izay nidirany hopitaly iray volana lasa izay. Nandritra ny fetin'ny Paka dia mbola hita teny amin'ny lavarangan'ny toera-malalak'i Md Piera tao Vatican izy nitso-drano ny vahoaka kristianina nanatrika. Maro no faly nahita azy, nefa maro koa no nahatsikaritra fa tsy nitsiky toy ny mahazatra ny Papa. Toy ny fambara mangina nialoha ny nialany teto an-tany izany fahanginany izany.
Nandritra ny fitondrany dia niavaka i Pape François tamin'ny fitiavana mahantra, fiarovana ny natiora, ary fanokafana ny fiangonana amin’ny fifampiresahana amin’ny finoana hafa sy ny olona rehetra. Izy no Papa voalohany avy any Amerika Latina.
Mandria am-piadanana, Papa François. Misaotra tamin’ny fitiavana sy ny hafatra navelanao.