Nodimandry ny Papa François

1. admin ( 5 andro lasa)
Araka ny vaovao voaray dia nodimandry io maraina io, alatsinainin'ny Paka 2025, tamin'ny... tohiny
2. Azrael666 ( 5 andro lasa)
Miaraka ory @ Fiangonana katolika maneran-tany tompoko! Mirary ny fiononana. Nahavita ny fihazakazahany, sy efa niady ny ady tsaran'ny finoana izy. Aoka hisintona lesona tsara t@ fiainany isika, ary Ilay Jesoa Kristy Tompontsika anie hitantana hatrany ny Egliziny, ary Izy koa anie no hanendry Papa araka ny sitrapony hitantana ny Eglizy. Nanohina ny foko tokoa ny fihetsik'io Papa io izay niezaka naka tahaka ny fiainan'i Md François d'Assise, ary niavaka t@ fanetren-tenany: tsaroako amin'izany ny fanekeny ny fifampiresahana amin-kitsim-po taminay Loterana sy ny Silamo. Mino tsy am-pihambahambana kely akory aho, fa efa mifaly any @ fifalian'ny lanitra izy ankehitriny. Mandria am-piadanana Papa François!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.01