Taratasin'ny Papa Fransoà

"Evangelii Gaudium" na "Ny Hafalian'ny Evanjely" no lohatenin'ny Antso Apostolika voalohany navoakan'ny Papa Fransoa ny talata 26 novambra 2013 lasa teo. "Manasa ny Kristianina rehetra aho na aiza izy na aiza mba hanavao ny fifandraisany manokana amin'i Kristy, na farafahakeliny hanokatra ny fony hanavaozan'i Kristy izany fifandraisana izany." Izany no antso avo nataon'ny Papa tamin'ny fanolorana ity taratasy apostolika ity. Iantefan'izany antso izany avokoa ny tsirairay, hoy ihany ny Papa, satria samy voaantso hotoloran'i Kristy ny hafaliana avy amin'ny Vaovao Mahafaliny.

Toa izao ny fanombohan'ity Taratasy Apostolika ity:

1. Ny Hafalian'ny Vaovao Mahafaly dia mameno ny fo sy fiainan'izay rehetra mandray an'i Jesoa. Ireo izay manaiky ny tolotry ny fanavotany dia afaka amin'ny fahotana, amin'ny fijaliana, amin'ny hantsana anaty ary ny fahatsapana ho irery. Rehefa miaraka amin'i Kristy dia mihavao lalandava ny hafaliana. Amin'ny alalan'ity Antso ity aho dia mamporisika ny Kristianina mahatoky mba hiroso amin'ny dingana fampielezam-pinoana vaovao tarafin'izany fifaliana izany, ka hanondro làlana vaovao ho an'ny fiainan'ny Fiangonana amin'ny taona mifanesy izay ho avy.

Alaivo eto ny Taratasin'ny Papa "Evangelii Gaudium" amin'ny teny Frantsay

 

 

Hevitra mandeha

Hlanto ( 16/01/2014 03:38)
Miarahaba, misy am teny Malagasy ve io EVANGELII GAUDIUM io

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721