Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’i Fenoarivo Atsinanana, i Mompera Marek Ochlak, O.M.I., izay Lehibe Provensialin’ny Oblats de Marie Immaculée an’ny Provensin’i Pologne ankehitriny.
Toy izao ny momba azy
Teraka tamin’ny 14 marsa 1966 tany Nowe Miasto Lubawskie, Diosezin’i Torun, any Pologne i Mompera Marek Ochlak.
Tao amin’ny Semineran’ny Misionera Oblats de Marie Immaculée any Markowich izy no namita ny fianarana ambaratonga faharoa fototra (1981-1985), nahazo ny diplaoma Bakalorea.
Niditra tao amin’ny Fikambanan’ny Misionera Oblats de Marie Immaculée izy ary nanao ny Novisià tao Koden. Nanonona ny voady voalohany izy ny 8 septambra 1986.
Nanohy ny fianarana filozofia sy teolojia tao amin’ny Seminera oblat tao Obra. Tao izy no nanonona ny voady mandrakizay, ary ny 20 jona 1992 no nohamasinin’i Mgr Zdzislaw Fortuniak, Eveka mpanampy tao Poznan, ho pretra.
Tao amin’ny tranon-drelijiozy ao Kedzierzyn-Kozle izy no voairaka voalohany, ka vikera tao amin’ny paroasy Masindahy Eugène de Mazenod no andraikiny tamin’izany.
Ny 8 aogositra 1995 izy no nankaty Madagasikara. Misionera tany ambanivohitra, Curé tao amina paroasy samihafa niandraiketan’ny Oblats tao amin’ny Diosezin’i Toamasina.
Ny taona 2009 hatramin’ny 2015 dia izy no Lehiben’ny Delegasiona O.M.I. teto Madagasikara.
Taorian’izany dia niasa tao amin’ny Misiona oblate tao Befasy izy (2016-2021).
Niverina tany Pologne izy ary voatendry ho talen’ny Procure ho an’ny Misiona an’ny Provensin’i Pologne.
Ny 10 janoary 2023 izy dia notendren’ny Lehiben’ny Fikambanana O.M.I. maneran-tany ho Lehibe Provensialy faha 18 ho an’ny Provensin’i Pologne.
Ny 17 febroary 2023, izy no nisantatra ny maha Ordinaire de la Province de Pologne azy, izay misy ny Delegasiona O.M.I. an’i Madagasikara ihany koa.
(Loharano. Gazety Lakroa)