Zoma 21 desambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:
Tsy ho ela dia ho avy ny Tompo Mpanjaka; Emanoela no anarany, satria Andriamanitra miara-monina amintsika Izy.
Ry Tompo tsara fo ô, mba ekeo ny vavaka ataonay vahoakanao: faly izahay fa tonga nofo tahaka anay ny Zanakao Lahitokana; koa enga anie ho mendrika ny valisoa any amin'ny fonenana mandrakizay rahefa ho avy enim-boninahitra Izy.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Tononkira dia Tononkira
Injay ny feon'ny malalako, indry tamy izy miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra; mitsambikina amin'ny havoana. Manahaka ny gazela ny malalako, sy ny zanaky ny serfa vavy. Indro izy eo ivohon'ny rindrin'ny tranonay, mijery eo am-baravarankely, mijery eo amin'ny makarakara. Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe: “Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia! Fa indro ny ririnina efa lasa, ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony. Ny voninkazo efa miposaka amin'ny tany, ny fotoana fihirana efa tonga. Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika; efa mipoitra ny voan'aviavy vao mitsimoka, ny voaloboka mamony efa mamerovero; mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia! Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao.”
Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo. Ihirao hira vao Izy; andredony horaka aman-java-maneno!
Ny fanampoizan'ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan'ny fony, amin'ny taranaka mifandimby. Sambatra ny firenena tahin'Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.
Ny fanahinay manantena ny Tompo; Mpitahy anay Izy sy ampinganay! Izy no ifalian'ny fonay; ny Anarany masina no ifefenay!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 1, 39-45Tamin'izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin'ny tany be tendrombohitra ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon'i Zakaria ka niarahaba an'i Elizabeta. Nony vao ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo, niantso mafy hoe: “Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren'ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo mpiantra anay ô, mba raiso ny fanatitry ny Eglizinao, fa nomenao hatao sorona; ka enga anie hanan-kery hahavonjy anay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Tretrika ianao, ry ilay nino fa ho tanteraka izay nambaran'ny Tompo taminao.
Tompo ô, arovy mandrakariva izahay vahoakanao nandray ny Kômonio masina mba hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa ary hirotsaham-pahasoavana hahavonjy ny fanahy amam-batanay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.