Alarobia 19 desambra 2035

Fiaviana: Herinandro mialoha ny Noely (19 desambra)
Loko: Volomparasy

Fanombohana ny Sorona Masina

Raha tsy alahady ny andro voatondro (17-24 des.), dia ireto Sorona ireto no atao:

Tononkira fidirana Hebr. 10, 37

Tsy ho ela dia higadona ilay Tompo ho avy, ary ho foana ny tahotra eto amin'ny tanintsika fa Mpamonjy antsika Izy.

Fangatahana

Andriamanitra ô, sitrakao nambara an'izao tontolo izao ny voninahitrao mamirapiratra tamin'ny niterahan'ilay Virjiny Masina ny Zanakao, koa mihanta aminao izahay: aoka ho finoana feno sy lavorary no hanajanay ny Teninao tonga nofo ary ho fo feno fitiavana, vonona hanompo Anao mandrakariva, no hankalazanay ny nahaterahany.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Mpitsara 13, 2-7. 24-25a

Bokin'ny Mpitsara

« Nambaran'ny Anjely ny hahaterahan'i Samsôna. »

Tamin'izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, atao hoe Manôe, fianakavian'i Danita, avy amin'i Saraà; momba ny vadiny, ka tsy niteraka. Niseho tamin-dravehivavy ny Anjelin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Momba ianao izao, ka tsy manan-janaka, nefa hanana anaka kosa ianao, ka hitera-dahy. Ary ankehitriny mitandrema tsara, fa aza misotro divay na lalikera mahery, na mihinan-java-maloto, fa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy. Tsy hokasihin-kareza ny lohany, fa io zaza io no nazareanin'Andriamanitra hatrany am-bohoka; ary izy no hanomboka hanafaka an'i Israely amin'ny tanan'ny Filistinina.” Dia nandeha nilaza tamin'ny lahy ravehivavy nanao hoe: “Nisy olon'Andriamanitra tonga tatý amiko; tahaka ny Anjelin'Andriamanitra no fijery ny endriny, endrika mahatahotra. Tsy nanontany izay niaviany aho ary izy tsy nampahalala ahy izay anarany; fa izao no nolazainy tamiko: Efa hanana anaka ianao, ka hitera-dahy, koa ankehitriny aza misotro divay na lalikera mahery na mihinan-java-maloto fa ho nazareanin'Andriamanitra io zaza io hatrany am-bohoka ka mandra-pahafatiny.” Ary tera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsôna no anarany. Dia nitombo ny zaza, sady notahìn'ny Tompo. Dia nanomboka nitaona azy ny fanahin'ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 70, 3-4a. 5-6ab. 16-17
Fiv.: Ny vavako feno fiderana Anao tontolo andro.

Aoka Ianao ho vatolampy fialofako, ho trano mafy mahavonjy! Eny, Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy, ry Andriamanitra ô!
Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra, fanantenako hatry ny fahakeliko! Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko; hatrany an-kibon'i neny, Ianao no mpiaro ahy.
Ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinanao sy ny vonjinao. Andriamanitra ô, mbola kely aho no nampianarinao, ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.

Aleloia. Aleloia.
Ry ilay Atsinanana fibaliakan'ny hazavana mandrakizay sy masoandron'ny fahamarinana, avia ary omeo an'ireo izay mandry ao amin'ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 1, 5-25
« Ambaran'ny Anjely Gabriely ny hahaterahan'i Joany Batista. »

Tamin'ny andron'i Herôda, mpanjakan'i Jodea, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny fianakavian'i Abià, ary ny vadiny dia taranak'i Aarôna sy natao hoe Elizabeta. Samy marina teo imason'Andriamanitra izy mivady, sady nitondra tena tsy nanan-tsiny tamin'ny didy sy ny tenin'ny Tompo rehetra. Tsy nanan-janaka izy, fa momba i Elizabeta, ary efa samy zokiolona ihany izy mivady.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: topazo maso miantra ireto fanatitra atolotray eto amin'ny ôtelinao fa malemy sy osa izahay manolotra azy aminao, ka enga anie ny herinao no hanamasina azy.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

Prefasy Prefasy: Fahatongavan'ny Tompo II

Prefasy: Fahatongavan'ny Tompo II

Kômonio Lk. 1, 78-79

Hamangy antsika avy any ambony ilay Masoandro, ka hitarika ny diantsika handeha amin'ny lalam-piadanana.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, avy nandray ny Kômonio masina izahay, ka fo feno fankasitrahana no entinay mitalaho ny indrafonao: ataovy velom-paniriana ny fanomezana efa hatolotrao izahay mba hankalaza amin'ny fo madio ny Mpamonjy teraka ho anay.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.