Alatsinainy 26 novambra 2035

Alatsinainy Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Dan. 1, 1-6. 8-20

Fanombohan'ny Bokin'i Daniely Mpaminany

« Tsy nahita tahaka an-dry Daniely sy Ananiasa, ary Misaely sy Azariasa izy ireo. »

Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Jôakima, mpanjakan'i Jodà, dia tonga i Nabokôdônôzôra mpanjakan'i Babilôna hamely an'i Jerosalema, ka nanao fahirano azy. Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin'ny tany Sennaara, ao amin'ny tranon'ny andriamaniny, sady napetrany tao amin'ny firaketan'andriamaniny ny fanaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo: Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56
Fiv.: Mendrika hoderaina sy homem-boninahitra mandrakizay Ianao.

Isaorana indrindra Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny Razana: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana ny Anaranao, fa masina, be voninahitra: ka mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao, an-tempoly be voninahitra: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao. Mahatsinjo ny halalin'ny hantsana: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao. Mipetraka ambony Kerobima: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.

Aleioia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.
Aleioia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 1-4
« Nahita mpitondratena mahantra nanatitra farantsa kely varahina roa tao Izy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin'ny fandatsahan-drakitra. Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy, ka nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an'Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin'ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.