Alarobia 21 novambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.
Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Faharoan'i Makabeo
Tamin'izany andro izany, dia nisy olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin'ny mpanjaka hoterena hihinan-kena kisoa, noraràn'ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin'ny kotopia aman-kozatr'omby. Mahagaga mihoatra izay azo lazaina sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny, fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin'ny indray andro monja; nefa notohanan'ny fanantenana ao amin'ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po.
Henoy ny antsoko, ry Tompo! Mandrenesa ny tarainako! Mampandria sofina amin'ny tonom-bavako, izay tsy avy amin'ny molotra mpamitaka.
Mikiry mamindra amin'ny soritrao aho, ka tsy mamela ny tongotro hivily. Miantso aho, ka valio Andriamanitra: anongilano sofina, henoy teny.
Ambeno toy ny anakandriamaso aho; afeno aho ao amin'ny aloky ny elatrao. Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao, hivoky amin'ny endrikao raha mifoha!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 19, 11-28Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý, fa efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ary nataon'ny olona fa ny fanjakan'Andriamanitra hiseho miaraka amin'izay, ka hoy Izy: “Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina. Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe: 'Ampitomboy ireny mandrapiveriko.' Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: 'Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.'
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.
Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.