Alatsinainy 19 novambra 2035

Alatsinainy Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Makabeo 1, 11-16. 43-45. 57-60. 65-67

Boky voalohan'i Makabeo

« Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin'ny vahoaka. »

Tamin'izany andro izany, nisy solofom-paharatsiana anankiray nivoaka avy amin'ireo mpanjaka, dia i Antiôkosa Epifana, zanak'i Antiôkosa mpanjaka, izay natao antoka tany Rôma, sy tonga mpanjaka tamin'ny fahafito amby telopolo amby zato taonan'ny mpanjakan'ny Greka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 53 sy 61. 134 sy 150. 155 sy 158
Fiv.: Velomy aho, Tompo, hitandremako ny fanambaràna avy amin'ny vavanao.

Entanin'ny hatezerana aho noho ireo ratsy fanahy, izay mandao ny lalànao. Voan'ny fandriky ny ratsy fanahy aho; nefa tsy manadino ny lalànao.
Avoty amin'ny fampahorian'ny olombelona aho, mba hitandremako ny lahatrao. Ireo mpanenjika ahy manatona heloka, fa manalavitra ny lalànao kosa.
Lavitra ny olon-dratsy ny famonjena; satria izy tsy mitady ny fitsipikao. Nahita mpivadika aho: ka narikoriko; ny didinao tsy mba tandremany.

Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny Lalànao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 18, 35-43
« Inona no tianao hataoko aminao? Mba hahiratra aho, Tompo. »

Tamin'izany andro izany, nony mby tao akaikin'i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe: “Inona izany?” Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. Dia niantso izy nanao hoe: “Ry Jesoa Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.” Noraran'izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: “Ry Zanak'i Davida ô, mamindra fo amiko e!” Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe: “Inona no tianao hataoko aminao?” Ary hoy izy: “Mba hahiratra aho, Tompoko.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.” Niaraka tamin'izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an'Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an'Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.